Tsy mbola vita hatreto ny safidy na dia efa maro aza ireo anarana voatonontonona fa mety handray ny toeran’ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS) hitantana indray ny tanànan’Antananarivo, taorian’ny fametraham-pialan’ny PDS teo aloha, Razafindravahy Edgard, ity farany izay kandida filoham-pirenena.
Anarana telo raha kely indrindra no efa mihaodihaody any ambony any. Anarana izay tsikaritra fa ivelan’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo avokoa amin’ny ankapobeny. Tsy adinoina anefa ny maha toerana stratejika ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo na mandalo fotoan-tsarotra na tsia ny firenena. Raha ny tantara no itodihana dia samy manaiky ny rehetra fa avy eo amin’ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo tamin’ny ankapobeny no niainga sy nivoaka ny ankamaroan’ireo filoha nitantana ny firenena. Ka na ahoana na ahoana dia lesona noraisin’ireo filoha nitantana ny firenena hatrizay no nanendry na nanao izay hampandany ny olona ao anatin’ny antokony ho eo amin’ny toeran’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo. Azo heverina ho tsara toerana mety hanakinan’ny FAT ny toeran’ny PDS ny delegen’ny Boriborintany voalohany, Rakotomavo Serge.
Tsy miditra amin’ny resaka politika loatra ny tenany fa ny resaka ara-tsosialy manakaiky vahoaka no tena ilofosany nefa koa tsy anisan’ireo nivadika nanohana kandida ny tenany. Misy amin’ireo delege hafa no lasa nanohana an’i Hajo Andrianainarivelo toa an-dramatoa Donatela mitantana ny Boriborintany faha-4. Nisy mpiresaka koa i Zo Andriatsilavo, talen’ny fotodrafitrasa saingy tsy azon’Ambohitsorohitra antoka. Efa solombavambahoaka lany tamin’ny lisitra Tiako i Madagasikara mantsy ny tenany sy filohan’ny federasiona malagasin’ny rugby dia izao nifindra lasy any amin’ny ilany izao. Mety ho tombony ho an-dRakotomavo Serge koa ny traikefa ananany satria fony Ben’ny tanàna i Andry Rajoelina no voatendry ny tenany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.