Politique

Paza Didier Gérard


  • Talata 22 Aprily 2014

Hanao ho vaindohan-draharaha ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana

 Ho fararanon’ny famindram-pahefana eo amin’ny Minisitera isan-tsokajiny ity herinandro miditra ity. Ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ohatra, dia nampiseho fahavononana sy modely ka tsy niandry ela taorian’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta Kolo Roger fa avy hatrany dia niroso tamin’ny famindram-pahefana.

Ny sabotsy 19 aprily teo no notanterahina teny amin’ny trano fiasan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (SEG) ao amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy etsy Betongolo ny famindram-pahefana teo amin’ny Genéral de Division Randrianazary sy ny Général de Division Paza Didier Gérard izay vao notendrena hisahana izany andraikitra ambony izany. Nametraka ho vaindohan-draharaha ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana araka ny politika ankapobeny napetraky ny Filoham-pirenena ny SEG vaovao. 

Hanao izay ho tratry ny heriny izy hampandriana fahalemana ny any Ambonivohitra izay ivelaran’ny Zandarimariam-pirenena. Notsindriany ihany koa fa vonona ny hiaraka hiasa amin’ny rehetra izy fa tsy  hanilikilika na iza na iza. Ny Jeneraly Randrianazary tetsy an-kilany nanamarika fa mbola ao anatin’ny Zandarimariam-pirenena hatrany ka vonona lalandava hanampy ny zandary raha misy ny ilana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT