Politique

Paul Rabary Miomana ho kandida filoha ?


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Maro ny mpanao politika sy olom-pirenena mihevitra fa mety ho kandida filoham-pirenena ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary, raha tarafina amin’ny fihetsiny.

 

 Tsikaritra ho miezaka mafy manasongadina ny tenany izy ao anatin’ny governemanta, ary te hampiseho fa miasa sy tena mahavita azy mitaha amin’ny minisitra sasany. Tena hain’i Paul Rabary ny mampiasa sy milalao ny maha mpahay fiarahamonina azy. Miparitaka ny sariny mandeha any ambanivohitra mitakosona amin’ny zanaka Malagasy. Tamin’ny naha minisitra azy no nisy ny fandraisana mpampianatra FRAM maro lasa mpiasam-panjakana ary ireharehany fatratra. Tsy filamatra amin’ny fampandrosoana mihitsy ny HVM, saingy tsikaritra ho niavaka raha samy mpikamban’ny Governemanta kosa i Paul Rabary, ary te hampiseho fa miasa fa tsy manao bizina sy afera tahaka ny sasany no anton-draharaha. Tena manana tanjona ho lasa filoham-pirenena tokoa ve izy amin’ny fihetsiny ? Ny tsy azo hiadian-kevitra aloha dia minisitera anisan’ny tena fanalahidy amin’ny fifidianana ny tontolon’ny fampianarana iantsorohany satria io no tena mahenika an’i Madagasikara. Maro amin’ny mpikambana sy lohandohan’ny mpisorona eo amin’ny HVM no tsy dia faly loatra amin’io fihetsiny io sy ny zavatra ataony. Mahatsiaro ho takona sy voasongona tanteraka angamba, ka mialona satria mbola ho gidragidra tsy ho vita ny fidongiana ho kandida raha tsy hirotsaka ny filoha ankehitriny. Maro mantsy ireo te hilatsaka ao anatin’ny HVM ao raha toa ka tsy Rajaonarimampianina ny kandida, ary misy mihitsy aza ny mety handeha irery.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT