Resaka efa nandeha ny hirotsahan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena ho kandida filoham-pirenena amin’ny taona 2018, fa nodisoiny.
Efa niteraka tsy fifankahazoana teo amin’ny samy lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny antoko HVM mihitsy io resaka io, ary voalaza fa mbola misy ny lonilony amin’izao fotoana. Tsikaritra ho mihetsiketsika hatrany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, ka misy amin’ireo hafa ao anatin’ny HVM ihany no mialona sy te hamingana azy. Ao ny milaza fa miketrika mafy ny ho lasa filoham-pirenena ny tenany.ka izay no mampihetsiketsika azy satria anisan’ny azo trandrahana amin’ny fanomanan-tena amin’ny fifidianana tsara ny departemanta tantanany, izay miandraikitra ny fanabeazana manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny fakana ny fon’ny mpampianatra, izay akaiky kokoa ny vahoaka ny fampidirana mpiasam-panjakana izay miditra amin’ny andiany faha-4 amin’izao fotoana. Tsy vitsy amin’ireo olon’ny HVM, araka izany, ny mbola mametraka ny ahiahiny amin’ny mety hisintahan’ity farany tampoka amin’ny fanohanana ny filoham-pirenena ankehitriny rahefa akaiky ny fifidianana, ka hirotsahany hofidiana filoham-pirenena. Hatreto mantsy, mbola i Hery Rajaonarimampianina no mety ho kandidan’ny HVM, ary tsara toerana ho kandidan’ny antoko ingahy minisitra, raha tsy hirotsaka intsony ny filoha ankehitriny. Maro anefa ireo mpiray donak’afo ao anatin’ny antokon’ny fitondrana no miady sisika sy toa efa mialona azy sahady. Mety hotazonina amin’ny toerany ve izy raha raikitra ny fanovana governemanta ? Sa hodakana fa mitsipa-doha ny antokon’ny fitondrana, izay efa tena maloto tanteraka eo anatrehan’ny vahoaka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.