Politique

Paul Rabary Miady amin’ny HVM ?


  • Talata 31 Janoary 2017

Nanaitra sy nisarika ny sain’ny maro ny zava-nitranga nandritra ny fihaonana voalohan’ny Fianakaviamben’ny mpiasan’ny

 

minisiteran’ny fanabeazam-pirenena notarihin’ny minisitra Rabary Paul noho ny tanao vaovao notontosaina teny Imerintsiatosika ny faran’ny herinandro teo. Raha ny loharanom-baovao dia nahazo toromarika ny mpikarakara ny lanonana mba tsy hanadino ny loko manga, lokon’ny HVM antoko eo amin’ny fitondrana, amin’ny fampihaingoana ankapobeny ny efitranon-danonana. Nilatsaka tampoka indray anefa ny baiko, mba hanesorana manontolo ny loko manga tamin’ny haingo. Samy nanana ny nandraisany io fiovana tampoka io ny nahita. Tsy te hanafangaro ny politika amin’ny fanabeazana tokoa ve ny minisitra sa manamarina ny siosion-dresaka fa miomana mangingina hirotsaka hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo Rabary Paul ? Sa misy disadisa anaty ao amin’ny samy mpikambana amin’ny birao nasionalin’ny antoko HVM ?

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT