Politique

Paul Rabary Manilika an-dRajoelina


  • Alakamisy 26 Jolay 2012

Naneho ny heviny momba ny fihaonana any Seychelles eo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha, ny mpandinika fiarahamonina Paul Rabary.

 Araka ny heviny ary dia mahita ny SADC fa mikatso ny tondrozotra ka izay no antony ampihaonany an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, satria heverina fa avy amin’izy mianaka ireo no tena fototry ny olana amin’ny ankapobeny. Ny iray mihevitra fa napetraky ny vahoaka teo amin’ny fitondrana izy, ny iray kosa mihevitra fa naongana izy, dia mikatso ny raharaha ary mikatso miaraka amin’izay koa ny fampiharana ny tondrozotra. Nanamarika anefa i Paul Rabary fa tsy ny olan’izy mianaka no tokony hovahana, fa ny olan’i Madagasikara. Raha tena tia tanindrazana sy mijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena marina ny roa tonta, dia tokony hitso-drano an’i Madagasikara mba hanohy ny lalany, ary sahy miaraka manambara fa samy tsy ho kandida, hoy ihany ity mpandinika fiarahamonina ity.

Raha izay no tanteraka dia efa mba misavasava kely ny lalana hanavotana an’i Madagasikara. Fa raha tsy izay dia tsy hita izay azo antenaina amin’ny dinika any Desroches-Seychelles satria tsy hifanara-tsaina mandrakizay doria Rajoelina sy Ravalomanana, raha ny fahitan’i Paul Rabary azy. Izy moa dia nilaza manoloana ny zava-nitranga teny amin’ny RFI Ivato fa tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana, fambolena krizy vaovao, aza izany. Nandroso vahaolana moa i Paul Rabary fa dia mila miala amin’ny tondrozotra isika, avy eo mikarakara fifidianana. Tsy maintsy miaraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena anefa isika, satria mila ny volany, hoy ihany izy.

Ny fialana amin’ny tondrozotra dia mitarika fanilihana an’i Andry Rajoelina tsy ho filohan’ny tetezamita. Tsy nitsotra mazava anefa i Paul Rabary hoe izay ve no tiany hahatongavana ? Sa te hampiditra ny firenena anatin’ny savoritaka indray izy ?

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT