Amin'ny maha mpandinika fiarahamonina azy dia manana ny heviny momba ny firongatry ny asan-dahalo any atsimo i Paul Rabary. Rehefa nangina tao anatin'ny roa volana ny tenany dia namelabelatra ny fomba fijeriny tao amina onjam-peo tsy miankina iray, eto an-drenivohitra omaly antoandro.
Zaraina 3 ny firenena
Hentitra ny filazany fa tsy asan-dahalo tsotra, tahaka ny nahazatra hatramin'izay ny mitranga any atsimo, fa efa tetika hampizarana an'i Madagasikara. Tandindomin-doza tanteraka ankehitriny ny fiandrianam-pirenena, hoy i Paul Rabary satria misy vondron'olona mitady hampizara ho 3 ity Nosy ity, dia ny atsimo, afovoany ary avaratra. Misy mpandraharaha, mpanao politika ary malaso ao anatin'ireo miketrika an'izany, hoy ihany izy. Araka ny resaka nifanaovana tamina olona maro eto
Nomarihan'ity mpandinika fiarahamonina ity fa efa tetika hatry ny ela ny fizarazarana an'i Madagasikara, noresahana teto ny "État fédéré" tamin'ny 1991, nisy ny fisintahan'ireo Governoran'ny faritany 5 sy fanaovana fahirano an'Antananarivo tamin'ny 2002. Araka ny fandinihan'i Paul Rabary azy dia tanjona amin'ity asan-dahalo sy fampihorohoroana ity, ny fanapotehana ny endrika fanjakana any atsimo. Vonoina ireo zandary mpitarika, rahonana ny sefo Distrika, mety hitatra any amin’ireo Lehiben'ny Faritra, izany avy eo. Efa nisy rahateo ny sefo Fokontany maro, telopolo mahery, nametra-pialana; koa rehefa mitsoaka an-daharana sy mametra-pialana ireo solontenam-panjakana ireo dia maka toerana tsimoramora amin'izay ny dahalo, dia izy ireo no hitantana ny tapany atsimon'ny Nosy ny farany. Ho avy amin'izay avy eo ny fangatahana fahaleovantena dia tanteraka ilay fampizarazarana. Nanamarika ihany koa i Paul Rabary fa mivangongo eto
Manizingizina ity mpandinika fiarahamonina ity fa misy ambadika ara-toekarena sy ara-politika ny zava-mitranga any atsimo satria, efa mazava izao fa feno harena ankibon'ny tany toy ny solika, vatosoa, gazy, saribao iny faritra iny. Ireo harena be ireo no mahamaika sy
Lanjan'ny grady
Raha tsy mitandrina ny mpitondra, ny foloalindahy ary ny mpanao politika dia ho tanteraka io fampizarazarana an'i Madagasikara io, hoy ihany izy. Aminy, ny mpanao politika rehetra dia tokony hanome tosika ny miaramila sy zandary na inona na inona firehany. Ho an'i Paul Rabary dia
Nangonin'i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.