Raha ny hevitra ao amin’ny antoko RDR (Rassemblement pour la Démocratie Républicaine), hoy ny filoha nasionaliny sady mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Paul Mpody, dia tsy hahavaha olona fa ahiana hitarika any amin’ny ady an-trano ny fizirizirin’ny fitondrana ankehitriny hanatanteraka fifidianana amin’izao rafitra misy eto amintsika izao.
Mbola fitantanana mandeha an’ila no misy eto amintsika, hoy izy, satria mbola ny hevitry ny maro an’isa no ampanjakaina. Ny resaka hoe fiaraha-mitantana voalazan’ny sori-dalana, hoy ity CT ity, dia resaka fifandanjan-kery no tokony hisy ao fa tsy izany maro an’isa izany. Satria izahay ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita dia olom-boatendry, dia tsy tokony handany hevitra amin’ny tsangan-tanana izahay fa tokony izay hifanarahan’ny rehetra no atao, satria izay no dikan’ny marimaritra iraisana. Efa fangalarana an-kolaka ny fanendrena olona maro mpiandany amin’ny tena ho ao amin’ny CT sy CST nataon’ny filohan’ny tetezamita, hoy izy, satria dia azy ny maro an’isa. Izay no tsy nidiran’ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert tao anatin’ny “processus”. Ka mainka izany fa any amin’ny fifidianana, hoy i Paul Mpody, tsy ho asa fotsiny ny fangalaram-bato ho hita ao ? Aminay RDR, hoy izy, dia tokony horavana hifanaraka amin’ny fifandanjan-kery izao rafitra misy eto amintsika izao. Tokony horavana ny parlemanta roa tonta fa be loatra, hoy ny lehilahy. Tokony hampifandanjana tanteraka koa ny minisitra anaty governemanta.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.