Politique

Paul M’Pody, RDR Miala ny Sadec, miditra ny FFKM


  • Alakamisy 23 Aogositra 2012

Ny zava-misy dia tonga amin’izay zavatra efa noteneninay foana hatrizay ny fandehan’ny raharaham-pirenena eto amintsika amin’izao fotoana izao, hoy ny mpikambana eo anivon’ny kongresin’ny tetezamita Paul M’Pody, filoha nasionalin’ny antoko RDR

 Araka ny fahitany ny zava-misy dia ny tsy fampiharana ny tondrozotra araka ny tokony ho izy no mahatonga izao olana izao. “Tsy hampiharina tsara satria feno fanilikilihana ny fampiharana azy”, hoy izy. Ny hoe SADC mampihaona an-dRajoelina sy Ravalomanana dia tsy ao anatin’ny tondrozotra fa tena ivelany tanteraka, hoy ihany ny fanazavana. Nilaza moa ingahy Paul M’Pody fa efa novakiany bantsilana tamin’I Fransman ny fahadisoan’ny Sadec. “ Raha tsy nailikareo izahay nanao sonia ny tondrozotra rehetra dia nandeha io, hoy izy tamin’ny mpitarika ny Troika.

Ankoatra izay di atsy levon’ny vavonin’ity mpanao politika koa ny karazana fanilihana toy ny tamin’ny fanendrena ireo mpikambana ao anaty rafi-panjakana satria nisy ny natao maro an’isa ary nisy no vitsy an’isa. Ankoatra izay koa dia nambarany fa fomba nentina nanilihana ny hafa ihany koa ilay hoe “signataire de soutien”. Raha ny hevitry ny RDR dia ny fialan’ny SADC no fanafody. Tsy hahalamina ny raharaha Madagasikara izy ireo, hoy izy. Angatahiny kosa ny FFKM hitantana ny fifampidinihan’ny samy Malagasy, hanao tondrozotra  vaovao mihitsy. Amin’izay fotoana izay ny Malagasy dia hifampihavana, hoy izy. “Raha izao ataon’ny SADC izao dia hampiady ny samy Malagasy  ka mangataka an’ireo SADC izahay hanao ny asan’ny mpanara-maso fotsiny”, hoy ny Rdr izay nanambara fa tsy manana fahefana hanasazy an-dRanona na Ranona sy misakana na manivana ny olona afaka mirotsak aho fidiana na tsia. “ Aminay RDR ny hambom-pom-pirenena dia tsy mety intsony ny vahiny hibaiko Malagasy”, hoy ihany ity mpanao politika.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT