Efa ela izahay no nilaza fa tsy hahavaha ny krizy io tondrozotra io, hoy ny filohan’ny antoko RDR, Paul M’Pody.
Ny antony dia krizy politika ity iainantsika ity, olan’ny fifidianana no fototra nefa dia nailikika ny antoko maro. Raha 20 no nantsoina teny amin’ny Paon d’Or hanao sonia an’io tondrozotra io dia 11 ihany no nofinidy noho ny fepetra napetraka tsy dia nazava loatra. Nitombo, araka izany, ny elanelana napetraka teo amin’ireo samy mpanao politika ka tsy mahagaga raha niombo ny krizy. Faharoa dia mitsabaka lalina loatra amin’ny raharaha tokantranon’ny Malagasy ary tena manosihosy ny fiandrianam-pirenena mihitsy ny vondrona iraisam-pirenena noho io tondrozotra io ihany. Ka izay no nilazanay tamin’ny FFKM hoe ataovy ny fampihavanan’ny samy Malagasy.
Raha hijanona amin’izy 4 mianaka fotsiny anefa ny fampihavanana dia tsy ho tafavoaka toy ny efa nampandamoka ny tany Maputo fa tsy maintsy ampidirina avokoa ny vondrona 17 hitambaran’ny antoko politika 231 misy. Mampalahelo ny afitsok’ireo kandidà 38, indrindra ireo ao amin’ny “Collectif des candidats”, hoy i Paul M’Pody, fa tsy ny tombontsoan’ny firenena no jeren’izy ireo fa ny tombontsoany manokana ka ny RDR dia misaotra manokana azy telo mianaka tsy manaiky ny hanala ny firotsahan-kofidiany fa mariky ny fiandrianam-pirenena izany.Tsy marina izany ho tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany isika raha mahavita fifidianana eo, hoy ny filohan’ny RDR. Tsy maintsy handadilady eto amintsika ireo vahiny ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.