Politique

Patrô HVM Sady tsy mandoa karama no mandrahona hanagadra


  • Alakamisy 24 Martsa 2016

n-droa mahita ny maizina ! Fahoriana no manjo ireto mpiasa 21 mianadahy miasa amina orinasa tsy miankina manao asa eo anivon’ny Jirama ao Moramanga.

 

I Roa volana tsy nandray karama izy ireo. Raha mba nitaky ny handoavana ny valin-kasasarany izy ireo tamin’ny fomba ara-dalàna dia fandroahana amin’ny asa sy fandrahonana hogadraina no setriny avy amin’ny mpampiasa. HVM mantsy, hono, ity farany. Omaly ihany dia efa nampiditra mpiasa vaovao hasolo azy ireo izy.

Tsy vitan’izay fa raha nandray 150.000 Ariary teo isam-bolana isan’olona ireto mpiasa ireto teo aloha, dia nihena ho 134.000 Ariary rehefa tonga ity patrô HVM ity. Fa ny tena mahagaga ireo mpiasa, dia 115.000 Ariary no tonga eny am-pelatanan’izy ireo rehefa fandraisam-bola. Mihenjan-droa ny tady satria tsy manaiky lembenana ireo mpiasa, mitaky ny zony. Sahirana misedra ny adim-piainana ny vady aman-janak'ireto mpiasa ireto no mihorohoro ihany koa.

 

Jean D.

Hetsiky ny mpiasa mitaky ny zony ao Moramanga

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT