Politique

Patrick Raharimanana “Ny tena hala-bato dia mitranga amin’izao miteny izao”


  • Zoma 24 Aogositra 2012

Nivoaka iny ny tetiandrom-pifidianana araka ny namaritan’ny CENIT sy ny Firenena Mikambana tamin’ny alalan’ireo manampahaizany nalefany teto, azy. Nankatoavin’ny SADC izy. Namory ireo mpiara-miantoka ara-bola sy ara-teknika ny CENIT hirosoana amin’ny dingana manaraka, dia ny fanisana ny mpifidy handrafetana ny lisi-pifidianana. Vahinin’ny sokela anio Atoa Patrick Raharimanana, mitarika ny fikambanana «Vitatsika io», hakana ny heviny manodidina izay fifidianana izay sy ny raharaham-pirenena ankapobeny.

 Tia Tanindrazana (T.T) : Anisan’ireo tanora nanambara ny filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo ianao, raha ny hita amin’ny tranonkala http://www.vatofototra.com/. Mbola hamafisinao ve izay fanirianao izay ?

Patrick Raharimanana (P.R) : Malagasy injeniera, mpitsabo, mpampianatra ary mpamboly mihoatra ny 5.000 no niara-nidinika ny fomba hanambarana ny fahaizana sy ny traikefantsika rehetra hoentina hampandrosoana marina ny Faritra tsirairay sy ny Firenena iray manontolo. Ny tenako rahateo moa dia nianatra manokana momba ny rano sy ny fambolena ary Mpahay fitantanana momba ny orinasa. Ka izany indrindra no nanapahana hevitra ny hirotsaka ho Filoham-pirenena hametrahana ny tetikasa efa novolavolaina miaraka sy nakana ny hevitry ny maro araka izay sehatra misy azy avy.

 

T.T : Vondrona inona no misy anao sa efa anaty ankolafy politika ?

P.R : Araka izany tarigetra fanambarana ny fahaizana sy ny traikefa izany, dia tsy nentina amin’ny resaka ankolafy politika na fiaviana na finoana na sosialy. Ny tanjona dia ny hanambarana ny hery rehetra tsy ankanavaka. Izay no nametrahana ny fikambanana «Vitatsika io» izay hananganana ihany koa ao aoriana ny antoko politika raha teren’ny lalàna tsy maintsy hanana izany ny kandida.

 

T.T : Inona no manosika anao ho amin’izany, nefa hita fa sarotra ny hanarina ity firenena ity noho ny fahalovana samihafa efa latsa-paka tao anatin’izay telo taona izay ?
P.R
 : Tsy tao anatin’ny telo taona farany ity ihany fa raha jerena dia fomba fijery fohy ezaka hatrany no nametrahana ny fampandrosoana teto Madagasikara. Na ny fomba fakana ny fahefana mifandimby aza dia zary niteraka krizy hatrany. Ny fampandrosoana ny Faritra tsirairay dia laharam-pahamehana, ka aoka amin’izay ny Faritra hitantana ny fampandrosoana ao aminy sy ny fananany, tsy hanavahana na iza na iza.

 

T.T : Mety aminao izany ilay tetiandrom-pifidianan’ny CENIT niaraka tamin’ny Firenena Mikambana, ary vao nankatoavin’ny SADC farany teo ?
P.R
 : Raha jerena ny lalàna nametrahana ny CENIT dia hita mibaribary ny fitongilanana sy ny tsy fanajany ny lalàna fototra na ny lalàmpanorenana azy. Eto aza tsy fantantra intsony na lalàmpanorenana inona no ampiasaina. Ilay faha-4 izay kianin’ny maro sy ny iraisam-pirenena aza ny nametrahana azy, izay efa nohitsakitsahina tamin’ny fametrahana ny tondrozotra. Satria io lalàmpanorenana nofidian’ny olona mihoatra ny 4 tapitrisa io, na inona aloha ny fomba nifidianana azy, dia noravana antokon’olona na vondron’olona folo mahery eo. Nefa dia misy tsara ao anatiny ao, andininy milaza ny fomba fametrahana ny fahefana tetezamita avy any amin’ny Repoblika fahatelo mandeha any amin’ny fahefatra.

Ny andininy faha-17, ao amin’ny lalàna mametraka ny CENIT dia milaza mazava ny fahazoan’ny CENIT mampanenjika izay kandida na ny solontenany izay mangala-bato. Nefa ny andininy faha-19 dia milaza mazava fa tsy azo ampiharina amin’ireo izay nanao sonia ny tondrozotra ny andininy faha-17. Midika hoe omen’ny lalàna fahafahana hangala-bato amin’ny fomba ara-dalàna izany ireo nanao sonia ny tondrozotra.

Etsy ankilany, mpikambana feno sy manapa-kevitra ary mahazo ny vola sy fitaovana ao anatin’ny CENIT ireo nanao sonia ny tondrozotra. Fa ireo tsy nanao kosa dia mijanona ho mpanara-maso sy tsy mahazo vola sy fitaovana.

Midika izany fa ny CENIT dia tsy mahaleotena mihoatra amin’ireo ankolafy politika nanao sonia ny tondrozotra izay mpikambana feno sy manapa-kevitra. Sa ve azo heverina ny hoe tsy handrotsaka kandida avokoa ireo ankolafy politika rehetra nanao sonia ny tondrozotra ireo ?

 

T.T : Azo antoka ve anefa ny hahatanterahan’ny fifidianana demokratika raha izao toe-draharaha mitranga eto amin’ny firenena izao ?
P.R
 : Ny tenako moa dia anisan’ny nanangana ny KMF/CNOE mpanara-maso ny fifidianana sy fanabeazana ny olom-pirenena tamin’ny 1989, ary Mpandrindra nasionaly nandritra ny 10 taona mahery ary efa nitety Distrika maherin’ny 100 amin’ireo 119 misy ankehitriny. Ny tena hala-bato dia mitranga amin’izao isika miteny izao, fa tsy mandritra ny fifidianana akory. Ao ny fampiasana ny vola sy fitaovam-panjakana ho an’ny kandida lazaina fa kandidam-panjakana, fampiasana ny vola tokony hopotehina nefa tsy potehina, hitantsika miseho lany ireny vola maloto be sy simba ireny rehefa manakaiky ny fifidianana, ny lisi-pifidianana sy ny fanaovana fitokanana zava-bita etsy sy eroa.

Ny tena loza dia ny fanovana ny voka-pifidianana aorian’ny fandatsaham-bato na eo anivon’ny Komity mpanisa vato eo amin’ny Distrika, na eny amin’ny HCC. Tsy mahagaga moa raha namorona fitsarana manokana momba ny fifidianana indray ilay tondrozotra satria tian’ny ankolafy nanao sonia ny tondrozotra fehezina io fitsarana manokana momba ny fifidianana io. Ankoatr’izany moa ny adilahy politika tsy mbola mitsahatra nefa ny tetiandro efa napetraka.

Ka tokony hisy izany lalàna amin’ny fampiasana vola amin’ny fampielezan-kevitra ka hoferana izany ary asiana mangarahara. Tokony havoakan’ny Mpitsara ny fifidianana isaky ny biraom-pifidianana ihany koa ny voka-pifidianana amin’ny fanambarana ataony, azo tsy vakiana izany raha lava loatra fa tokony homena ny kandida sy ny mpanao gazety, na havoaka amin’ny tranokala.

Amin’ny maha fitsarana azy, dia tokony havela ireo mpiaro ny kandida hamelabelatra ny fitoriana na ny fiarovana hataony amin’ny resaka fifidianana, ary atao ampahibemaso izany. Avy eo afaka misintaka ny mpitsara mamoaka didy.

 

T.T : Aminao, hitondra antsika any amin’ny fitoniana sy fandriampahalemana ve io tondrozotra mampifandrirotra ny ankolafy politika io ?

P.R : Hatrany am-boalohany dia efa mandringa ny famahana olana eto amintsika, tanisaina lava ny hoe famahana olana amin’ny samy Malagasy, nefa na mpanelanelana aza mbola hakana mpandika teny. Ny fihaonana dia atao any ivelan’ny Nosy sy tsy manaja ny maha Malagasy. Ny tondrozotra soniavina, nefa tsy novakiana nampahalalana ny olona hanao sonia akory. Firy ny efa nanao sonia vao nangatahina novakiana ilay tondrozotra.

Raha mbola fizarana seza hiaraha-mintantana ka ahafahana mampiasa ilay seza hakana na hihazonana fanjakana ny fomba entina hamahana olana, na hapetraka amin’olona roa, ka lasa resaka olona fotsiny, dia tsy hiravona velively io. Iza ny ankolafy mba niady ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, na ny ministeran’ny kolontsaina, satria tsy misy vola sy fitaovana ao, fa ny ministeran’ny vola, ny fampianarana, fahasalamana, ny harena ankibon’ny tany… no tena iadiana mafy ankoatr’ireo ministera lazaina fa ministera voatokana toy ny fitsarana, ny atitany, ny foloalindahy sy ny raharaham-bahiny.

Aoka amin’izay izay te hilatsaka kandida rehetra tsy hiditra hitantana ny tetezamita, fa na ianao mijanona ho mpilalao, na ianao manao mpitsara baolina, fa tsy efa mandeha ny tapany voalohany amin’ny fifaninanana vao mody miala ianao ka manova akanjo.

 

T.T : Ianao eto an-tanindrazana io, mandalo sa hitoetra amin’izay ?

P.R : Ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany moa dia atao ankilabao hatrany ary verezin-jo tsy mahazo mifidy, nefa rehefa misy fanjakana aongana dia any amin’ireo Malagasy ireo hatrany no mitodika amin’ny fakana vola sy fakana ny fifandraisana iraisam-pirenena. Tsy araka ny eritreretina anefa izy ireo  fa maharaka vaovao lavitra noho ny eto an-toerana satria dia mahazo ny gazety, radio ary ny fahitalavitra rehetra eto Madagasikara. Izy ireo ihany koa no mamatsy vola efa ho antsasaky ny vola omen’ny iraisam-pirenena ho an’ny toekarena malagasy.

Amin’izao moa ny lalàm-pifidianana dia manery ny kandida hipetraka tsy latsaky ny enim-bolana eto Madagasikara. Amin’ny maha kandida ahy izany dia mipetraka eto Madagasikara aho. Any amin’ny tany niaviako any Mahajanga moa no tena misy ahy fa mandalo fotsiny eto Antananarivo.

 

T.T : Marina ve fa arahin’ny DST maso akaiky ianao ary misy mihaino ny serasera ataonao amin’ny finday ?

P.R : Raha tena tandrify amin’ny anjara asany moa izany maninona, na dia tokony hisy didy avy amin’ny fitsarana ahafahana manao izany aza. Fantatra aloha hatreto fa nataon’izy ireo dika mitovy ny taratasy fidirana teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato. Ary ny finday ampiasaiko dia misy laharana hafa ankoatra ny laharana tokony hiseho amin’ny finday no miseho eo, amin’ny fifandraisana sasany, indrindra fa ny avy any ivelany. Efa notapahina mihitsy aza ny laharan’ilay finday, fa niverina ho azy teo moa ilay izy.

 

T.T : Ny tiana hambara ankaotra izay tsy voalaza teo ?

P.R : Tsy afa-miala amin’ny toe-draharaha iraisam-pirenena i Madagasikara, ka tokony hijery ny 50 taona manaraka. Tsy ny filazana ny hiaraka amin’ny firenena izatsy na firenena izaroa izany no vahaolana ho antsika fa ny fanambarana ny fahaizana sy ny traikefa hifehezantsika ny harenantsika izay mahampy tsara hampandrosoana ny Faritra tsirairay. Tsy tokony ho variana amin’ny fizarana vola sy akanjo sy satroka izany isika satria ireny vola zaraina ireny dia vola nivarotana ny firenentsika alohan’ny fifidianana, ka ny fandraisana ireny dia fanekena ny hivarotana ihany koa ny fananantsika izay tokony hamoronana asa sy orinasa ho an’ny tanora Malagasy. Vitatsika io !

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT