Nahazo fampiantsoana ho eny amin'ny Toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary i Patrick Raharimanana anio talata 13 martsa 2018 amin'ny 8 ora maraina.
Tsy fantatra mazava izay tena antony fa tombanana ho resaka fanapariaham-baovao manelingelina manampahefana na mpitondra ambony. Rehefa miady ho fanoherana ny kolikoly sy ny mitaky ny fahaleovantenam-pirenena dia tsy maintsy miomana amin'izany, hoy izy omaly tao amin’ny tambajotran-tserasera fesiboky, ka ho avy izy anio. Ny lehiben’ny fonjan’i Tsiafahy, Zafilahy Vonjy Stéphanson no nanao fanambarana ny 01 martsa teo, fa hitory an’i Patrick Raharimanana noho ny nanapariahan’ity farany ny horonam-peo navoakan’i Houcine Arfa milaza, fa nandoa 4 tapitrisa ariary tamin’ny lehiben’ny fonja izy. Tsy fantatra aloha na io no antom-piantsoana azy na zavatra hafa mihitsy. Nambaran’ny lehiben’ny fonja fa “montage” tanteraka satria ny feo tsy azy, be dia be ny zavatra ao anatiny tsy izy, hoy izy. Nitory an’i Patrick Raharimanana ny tenany, ary nangataka ny hanaovana fanadihadiana lalina na “expertise”, ary nanizingizina fa “Montage” na feo sy horonam-peo natambatambatra ilay naparitaka. Namoaka sary maromaro mikasika ny fitsidihan’ny vadin’i Houcine Arfa tao am-ponja indray anefa i Patrick Raharimanana taorian’ny fanambaran’ny lehiben’ny fonja. Anisan’izany ny sary maneho fa navoaka teo an-tokotany i Houcine Arfa fa tsy tamin’ny toerana natao hifampiresahan’ny gadra sy ny mpamangy na ny “parloire” ny tenany. Andrasana izay ho akom-baovao momba ity fampiantsoana an’i Patrick Raharimanana anio ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.