Politique

Patrick Raharimanana “Fifidianana tsy misy kandida ve no ilaina ?”


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2013

Manamafy ny fahavononany hisedra ny safidim-bahoaka amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy eo i Patrick Raharimanana, kandida avy amin’ny antoko “Vitatsika io”. Nisy ny resaka an-tariby nifanaovana taminy ka nanehoany ny ahiahiny fa : «fifidianana tsy misy kandida, tsy misy fampielezan-kevitra, tsy misy fifanazavana ny vinam-piarahamonina ve no tiana hatao eto amintsika?». Tao anatin’izany koa no nitondrany ny fomba fijeriny sy famakafakana ny raharaha. I Patrick Raharimanana rahateo dia manana traikefa amin’ny fanomanana sy fanaraha-maso ny fifidianana, satria dia am-polo taonany no naha mpikambana azy tao amin’ny KMF/CNOE.


Tsy ara-dalàna

Nomarihin’i Patrick Raharimanana fa efa ho dimy taona izao no tao anaty krizy i Madagasikara, taorian'ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Natao daholo ny fitadiavana vahaolana, ary niarahan'ny rehetra manaiky fa tsy maintsy mandalo amin'ny fifidianana Filoham-pirenena ny fivoahana amin'ny krizy. Niroso tamin'izany fifidianana niarahana tamin'ireo vondrona iraisam-pirenena izany isika. Maro anefa ny tsy ara-dalàna na ireo kandida mitazona andraikitra eo anivon'ny tetezamita izay tsy mety niala tamin'ny toerany rehefa niroso ho kandida, na ireo izay ao anatin’ny lisitry ny kandida izay ahitana tsy ara-dalàna ihany koa, vokatry ny fanapahan-kevitra politika noraisin’ny CES ka nampikatso tanteraka ny fifidianana. Nisintona ny fahatokisany ireo vondrona iraisam-pirenena ka niato arak'izany koa ny famatsiana ara-bola ny fifidianana.

Ankehitriny, hoy izy, dia atao tery vay manta ny hisian'izany fifidianana izany alohan'ny faran'ny taona 2013. Ireo solotenan'ny GIC-M nandalo teto farany teo moa dia nilaza fa vitaina alohan'ny faran'ny volana novambra 2013 ny fihodinana roa amin'ny fifidianana Filoham-pirenena. Ny CENI-T etsy andaniny dia manamafy fa vonona ara-tekinika raha mivaha ny olana ara-politika. Raha jerena anefa ny tetiandro navoakan'ny CENI-T dia mila 68 andro izy, alohan'ny fifidianana, hanamboarany ilay biletà tokana sy hanapariahany izany any amin'ny biraom-pifidianana rehetra. Izany hoe raha mipetraka amin'ny 8 aogositra 2013, araka ny lamina napetraky ny filohan'ny tetezamita izany ny CES vaovao, dia any amin'ny 23 oktobra 2013 raha haingana indrindra ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana Filoham-pirenena, ary any amin'ny 26 desambra 2013 ny fihodinana faharoa, miaraka amin'ny fifidianana solom-bavam-bahoaka. Tafiditra tanteraka ao anaty oran'andro, izay voararan'ny lalàna izany ny fihodinana faharoa. Azon'ny CENI-T atao anefa ny mangataka amin'ny CES fepetra manokana, mba ahafahana manao izany fifidianana izany ao anatin'ny fotoanan'ny oran'andro.

 

Mila fotoana

Manamarika anefa i Patrick Raharimanana fa toa tsy misy mijery na odiana tsy resahina fa ny fifidianana anie ka hevitra aroson'ny kandida ho Filoham-pirenena aloha no ampitaina sy ampitahaina, mba hisafidianan'ny mpifidy. Vinam-piarahamonina no resaka eo. Midika izany, hoy izy, fa mitana anjara toerana eo anivon'ny fifidianana ny kandida, fa tsy ny fahatongavan'ny biletà any amin'ny biraom-pifidianana fotsiny, na ny fahamarinan'ny lisitry ny mpifidy fotsiny no mampadio, sy mampangarahara ny fifidianana. Nahilika hatrany ireo kandida tamin’ny dinika rehetra hirosoana amin’izany fifidianana izany, eny na ny fanasana azy ireo tamin’ny fankalazana ny fahaleovantenam-pirenena malagasy ny 26 jona aza dia tsy nisy, nefa izy ireo no hitondra ny firenena aoriana kely eo. Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra hahafantaran'ny olona mpifidy rehetra ny foto-kevitra sy ny kandida izay hitondra azy dimy taona manaraka.

Midika izany, fa ny kandida dia mila fotoana hanaovany ny afisy, ny fitaovana hampitany ny hevitra alohan'ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra, iray volana alohan'ny fifidianana. Tsy mitsinjo izany mihitsy anefa ny tetiandro izay mijery fotsiny ny fametrahana ny biletà alohan'ny andron'ny fifidianana.

Ilaina ny fifidianana madio sy mangarahara, fa ilaina ihany koa ny fotoana fampielezan-kevitra hitovizan'ny rehetra lanja, sy ahafahan'ny rehetra mampiasa ny haino amanjerim-panjakana, ary ilaina ihany koa ny fotoana ahafahan'ny kandida manatonta ireo afisy sy fitaovana fampitana hevitra ho an'ny mpifidy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT