Politique

Patrick Raharimanana Aoka izay ny paipaika politika


  • Alatsinainy 25 Febroary 2013

Tena tsy nankasitrahan-dRaharimanana Patrick filohan’ny antoko “Vitatsika io” ny fihemoran’ny fifidianana amin’ny 24 jolay ho avy izao, araka ny nambarany.

 Antony hoy izy dia efa efa-taona be izao no nisian’ny fitondrana tetezamita izay tsy manana asa hiandraiketana afa-tsy ny hanomana fifidianana saingy mbola nahemotra indray izany raha efa miaina anaty fijaliana tanteraka ny vahoaka. Somary mampieritreritra ihany araka ny nambarany ny mety hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity. “Iza no hanome toky fa mety hisy marina ny fifidianana ?”,  hoy izy. Ho an’ny CENI-T manokana dia nambarany fa tamin’ny volana novambra taona 2012 dia tokony ho efa fantatr’ireto farany ireo antony sy kipitsony mety tsy hahatanteraka ny fifidianana toy ny olana amin’ny lisi-pifidianana, ohatra, ka tamin’izany dia efa tokony ho nambara tamim-pomba ofisialy ny fihemorany.

Nambaran-dRaharimanana Patrick fa mbola misy hatrany ireo karazana paikady politika madinika hataon’ireo mpanao politika ka tokony hatsahatra amin’izay ialana amin’ny fahasahiranam-bahoaka. Mikasika ny famotsoran-keloka dia nambarany fa ireo olona mibaboka ny heloka vitany no tokony homena amnistia. Na izany aza anefa dia ny fampiharana ny fomba Malagasy ihany no tena tsara, hoy ihany Raharimanana Patrick araka ilay fomba fiteny manao hoe : ny heloka hibabohana mody ho rariny.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT