Politique

PATRAM Vonona haka fahefana hialana amin’ny fanararaotana


  • Talata 09 Aprily 2013

Tafatsangana ny antokon’ny mpiasa eto Madagasikara na ny PATRAM «Parti des Travailleurs Malgaches» izay manana tarigetra ny hanova ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara ka hiaro ny vahoaka sy ny mpiasa tsy ankanavaka amin’ny ankapobeny fa tsy natao ho fiarovana olom-bitsy fotsiny tahaka ny nahazatra hatrizay.

 Manana sampana miandraikitra ny sehatr’asa isan-tsokajiny ity antoko ity ary mandray ny tsy an’asa ihany koa. Nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny PATRAM, Atoa Ranarimampianina Elie fa voatery miroso ain’izao fananganana antoko izao ny mpiasa noho ny fanaovana azy ankilabao sy hararaotina atao fitaovana fakana seza fotsiny. Vonona haka fahefana ny mpiasa ankehitriny, hoy izy, satria hatrizay dia tsy misy afa-tsy ny fanararaotam-pahefana sy ny fanasaziana no azony tamin’ny mpampiasa. Nambaran’ity Sekretera jeneraly ity fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra misy miainga any amin’ny Fokontany ka hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny PATRAM. Efa manana rafitra isan-tsokajiny hatrany amin’ny Kaominina rehetra any ity antoko ity araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ao aminy ity ihany.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT