Politique

Pastera Randrianomanana Samuel Mila miverina manao tetezamita isika !


  • Alarobia 22 Jona 2016

Nandritry ny valandresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny Antsakaviro omaly tolakandro no nanazavan’ny Pastera misotro ronono Randrianomanana Samuel fa nahazo hafatra avy

 

amin’Andriamanitra mikasika ny lalam-baovao tokony hizoran’ny vahoaka Malagasy manoloana izao toe-draharaha mianjady amin’ny firenena ankehitriny izao ny tenany. Nambarany fa niteny taminy Andriamanitra fa tsy misy afa-tsy lalan-tokana dia ny fananganana tetezamita vaovao izay ho antsoina hoe “Tetezamita fampihavanana” irery ihany no hany vahaolana hiverenan’ny “fiadanana” eto amin’ny firenena. Nomarihiny tamin’izany anefa fa tsy mila fanonganam-panjakana izay miteraka fandatsahan-dra sy tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra akory ny fametrahana io tetezamita vaovao io fa tena “fananganam-panjakana” aza no atao satria dia ny filoham-pirenena ankehitriny ihany no hitondra ny tetezamita saingy ny andrim-panjakana ambiny rehetra kosa no tokony horavana satria tsy mahasoa ny vahoaka, hoy hatrany ity mpitondra fivavahana ity. Raha nanontaniana ny mikasika ny antony tsy maintsy hidirana amin’izay ny tenany dia nanambara fa tsy mbola tokony ho niroso tamin’ny fifidianana mihitsy isika aloha raha tsy tafapetraka tamin’ny tetezamita farany teo ny mikasika ilay tanjon’ny FFKM tamin’ny dingan’ny fampihavanam-pirenena dia ilay hoe : Fiaiken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana izay nohafoezina hoe “4F”. Tsy nisy nahatontosa ny iraka nampanaovin’Andriamanitra azy mikasika izay sehatry ny fampihavanam-pirenena izay ireo tompon’andraikitra tokony hamita izany dia nanendry ireo mpitandrina misotro ronono izay efa nitory ny fihavanana hatramin’izay Andriamanitra mba hitarika izay fampihavanana izay, hoy izy. 

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT