Politique

Pastera Randriamisata Roger “Tsy misy demokrasia eto !”


  • Alarobia 20 Septambra 2017

Nahitsy fiteny ary hentitra i Pastera Randriamisata Roger nandritra ny fandaharana Donak’afo tao amin’ny TOP Radio halina, nilaza fa “tsy misy demokrasia izany eto !”. Sakantsakanana ny olona haneho hevitra, tsy avela hidina an-dalambe toy ny fahita amin’ny tany demokratika manerantany. Hatramin’ny olona maneho hevitra any amin’ny haino aman-jery aza samborina. Ny manahirana dia misy ampahan’olona na sokajin’olona omena tombondahiny fa ny ankamaroany dia ailikilika, anaovana antsojay. Manampy trotraka izany ny fanapepoana ny olona amin’ resaka “laïcité de l’Etat” na ny fanasarahana ny fitantanam-panjakana amin’ny raharaham-piangonana.

Izay no anisan’ny nijoroanay Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF), hoy ity pastera FJKM ity, hanohitra ny tsy fahamarinana, ny tsy rariny, hiarovana ny Vahoaka sy ny Fiangonana. Manentana ny olompirenena ny tenany, indrindra ny kristianina mba tsy hialangalana fa handray anjara amin’ny hanatsarana ny fiainam-pirenena. Nilaza fa tsy mangina ny HMF fa eo, ary hiverina an-tsehatra indray, satria tsy tafavoaka eto isika raha tsy miverina amin’ny maha izy azy ny Malagasy, dia ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fihavanana.

 

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT