Na efa ho tapitra aza ny taona 2016 dia nanambara i pastera Mailhol fa mbola mitoetra hatrany ny faminaniana efa azony.
Mpitondra roa taorian’ny nitondran’ny filoha Ravalomanana ny tany sy ny firenena no nambarany fa eo alohany izay marihina fa efa mifarana amin’ny filoha ankehitriny raha ny zava-misy ankapobeny no jerena. Notsindriany anefa fa raha sitrapon’Andriamanitra dia ho tanteraka izany, tsy amin’ny alalan’ny fifidianana. Apetraka aho, toy ny nametrahana ny filoha Ratsiraka teny am-piandohana, ny jeneraly Ramanantsoa, ny kolonely Ratsimandrava, Ratsirahonana ary i Andry Rajoelina, hoy hatrany ny pastera Mailhol André Christian Dieu Donné. Hankalaza ny faha-20 taona nijoroany ny fiangonana Apokalipsy ny sabotsy 13 aogositra ho avy izao. Fotoam-pivavahana lehibe hotanterahina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe no hanamarihany ny hetsika. Nosafidian’izy ireo manokana io daty io noho ny fahavitan’ny fanadinana Bakalôrea ka hahafahan’ireo mpino avy any amin’ny faritra sy avy any am-pitandranomasina manatrika eto an-toerana. Tsangambaton’ny faha-20 taonan’ny fiangonana entiny ny famoahana boky fampianarana Apokalipsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.