Politique

Pastera Mailhol “Notambazana 5 miliara Ar aho mba tsy ho kandida”


  • Alarobia 18 Oktobra 2017

Tambatambazan’ny fanjakana HVM tsy hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena i Pastera Mailhol satria atahoran’ny fitondrana mafy, raha ny fanambarana nataony omaly.

 

Noraviravizana volabe 5 miliara ariary mihitsy izy fa nanda, araka ny avy aty ambony ihany koa ny HVM tany an-toerana hihetsika sy handrangaranga hery. Minisitra iray ao anatin’ny governemanta no tao ambadika raha ny fanazavany. Tsy nisalasala izy naneho ny heviny fanazavany. Nisy fotoana nidinan’ity mpitondra fivavahana ity tany Mahajanga nihaona tamin’ny mpanohana azy, ka nomena toromarika fa ny antokon’ny fitondrana no tena mifarirotra sy matahotra mafy amin’ny firotsahan-kofidiany, ka io nahavita nanambitamby volabe io saingy tsy nanaiky ny pasitera Mailhol, izay manana fahatokisan-tena tokoa fa ho voafidy ho filoham-pirenena atsy ho atsy. Mitatao ao an-damosin’ny pasitera sy ny olony ihany koa ny antsojay sy ny fananganam-pahafavalo ataon’ny fanjakana HVM. Anisan’ny nanohana an’i Hery Rajaonarimampianina ny Apokalipsy tamin’ny fotoan’androny. Mbola te hitazona an’izany ve ny HVM hoe hatao tohatra fiakarana izy ireo ? Mitohy ny fisetrasetrana sy ny fanjakazakana, indrindra ny kajikajy politika hisakanana ireo kandida tsy hirotsaka amin’ny taona 2018. Ho vitan’ny fanjakana HVM tokoa ve izany ? Hanaiky mora foana ve ny hafa ? Mety hisy ve ny famondronan-kery handavoana ny HVM amin’ny fifidianana ? Mitohy ny tantara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT