Politique

Pastera Mailhol “Mino aho fa tsy maintsy ho lasa filoha”


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Mino sy mahatoky Atoa Christian Dieu Donné fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : pastera Mailhol fa izy no hitantana ny firenena Malagasy amin’ny taona ho avy.

Tsy ady ara-nofo mantsy no misy eto amintsika fa ady ara-panahy ka tsy hisy hahatohitra ilay fahefana lehibe avy any an-danitra izay naniraka ahy, hoy izy. Rehefa tsy hapetraka ny tenako noho ny fisian’ny korontana lehibe eto amin’ny firenena dia hibata ny fandresena avy hatrany. Efa mipetrapetraka avokoa ny vinan’asan’ny pastera Mailhol hanavotany sy hanarenany ny firenena. Anisan’ny novakiany teo imason’ireo mpikambana eo anivon’ny  antoko Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara izay nanolotra ho kandida amin’ny fifidianana omaly ireo karazan’asa tena maika hitany fa maharary ny vahoaka. Lohalaharana ny filazany fa tsy hanodinkodim-bolam-panjakana ny tenany. Ny 10 %-n’ny volam-panjakana ihany no hampiasaina amin’izay ilana azy raha maka fa ny 90 % ambiny dia entina hanasoavana ny vahoaka avokoa. Hojerena manokana ao ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, ny fampianarana, ny ady amin’ny kolikoly … Hofeheziny ihany  koa ny fanomezana tany ny vahiny fa tsy avela ho gaboraraka tahaka izao raha hiroso amin’ny fanovana ny lalàmpanorenana ihany koa ny tenany. Ho an’ireo olona te-haneho hevitra eny an-dalambe dia nomarihin’ny pastera Mailhol fa tena hahazo alalana tokoa izy ireny amin’ny fotoana hitantanany ny firenena saingy tsy maintsy mangataka alalana. Tsy mahazo manda izany ny kaominina. Anjaran’ny prefektiora kosa ny manome jiromena hialoha lalana ireo mpitokona sy handefa mpitandro ny filaminana mba hiambina azy ireo. Hanome kianja malalaka iray ho an’ireo mpanao fitakiana ihany koa ny tenany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT