Nahitsy ny tenin’ny Pastera Mailhol André Christian Dieudonné, filoha iraisam-pirenena sady mpanorina ny FAM (Fikambanana Apokalipsy eto Madagasikara), tamin’ny nilazany fa “miady amin’ny mpandoa-bary ny fitondrana tetezamita amin’ny tsy faneken’izy ireo ny fepetra apetraky ny Troika”.
Ny zava-misy izao, hoy izy, dia efa hita mazava ny hevitry ny mpanao politika amin’ny resaka sori-dalana. Dia tahaka izany koa ny an’ny SADC izay mitana ny fanapahan-kevitr’ireo filoham-pirenena tany Sandton milaza fa miverina eto Madagasikara tsy misy fepetra Ravalomanana, ary io no entiny hatao sonia miaraka amin’ny Ankolafy 3 sy ny V-6. Ny an’ny Tgv sy ny V-8 kosa anefa dia ny sori-dalana voalazan’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, ny Dr Salamao, no ankatoaviny. Ny olana mipetraka izany dia ny hoe ny Troika ve hilefitra amin’ny fanapahan-kevitra navoakan’ireo filoha ao aminy ? Dia tsy hanao sonia ny ankolafy 3 sy V-6 fa ny Tgv sy V-8 hanao, dia hisy fankatoavana ve ho azo ?
Raha izay no izy, naninona no tsy natao hatramin’izay ? Andeha atao indray hoe : ilay sori-dalana voafaritr’i Dr Salamao no hatao sonia dia hanao izany ny Tgv sy V-8 fa tsy hanao kosa ny ankolafy 3 sy V-6, dia hahazoana fankatoavana koa ve izany ? Dia naninona koa no tsy natao hatrizay raha izany ? Ny dikan’izany rehetra izany, hoy ny Pastera Mailhol André, dia hanao sonia ihany ny fitondrana tetezamita fa tsy hiaraka amin’ny SADC sy ny Ankolafy 3. Dia handeha ny SADC. Ka ny zavatra hitranga dia hisy krizy hafa mbola hiseho indray eto. Raha hanaiky ny fepetra Sandton anefa ny tetezamita dia Rajoelina no tsy maintsy hitondra nefa kosa hiditra Ravalomanana ka hifototra amin-dRajoelina ireo vahoaka. Ny dikan’izany rehetra izany dia ireo mpanao politika andaniny sy ankilany ireo no manao takalonaina ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa, hoy ny filohan’ny FAM, satria tsy hahita marimaritra iraisana mihitsy noho ny fiarovana ny tombontsoany avy izy ireo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.