Mikoropaka avokoa ny ankamaroan'ny olona amin'ity taona 2013 efa manakaiky ity.
Taona izay efa nolazain'ny Pasitera Mailhol hatry ny ela fa handraisany ny fitondrana ny firenena. May volon-tratra, hoy izy, ny devoly kanefa tsy misy azony atao afa tsy ny mamorona fanalam-baraka satria ny fanahin'Andriamanitra no mibaiko. "Matoa aho lazain'iny tovolahy mpanentana, mpanonona tononkira iny fa mibaiko devoly, dia manana hery ambony kokoa noho ny devoly izany. Andriamanitra ihany no afaka mibaiko ny devoly, toy ny nanirahan'i Jesosy ny devoly tao amin'ilay lehilahy iray nankany amin'ny kisoa. Tsy haninona io tovolahy io aho, hoy hatrany ny pasitera Mailhol, satria mampalahelo kely io ve dia atao inona ? Hatreto dia nanamafy ny pasitera Mailhol fa mbola nitombina avokoa ny faminaniany. Raha tsiahivina dia tany amin'ny taona 1995 tany izy no naminany voalohany.
Fony tsy fikambanana sy tsy nijoro akory ny Apokalypsy, dia fantany fa fa hiala eo amin'ny fitondrana ny Profesora Zafy Albert ary hiverina ny Amiraly Ratsiraka. Nitranga tokoa io tamin'ny 1996. Herintaona taorian'io, izany hoe ny taona 1997, dia nivoaka indray ny faminaniany fa 6 taona ihany no hitondra ny Amiraly ary hisy ra mandriaka, ka olona apetraky ny FFKM no hitondra. Dia iny tokoa fa nitranga izany. Ny taona 2000 no voalaza fa nahazoany faminaniana mikasika ny 2013, ankoatra ny tranga ao an-tokantranony.
Hatreto izany dia mbola nitombina sy nipetraka avokoa ny faminaniany. Tsy nisy tsy nilaza anefa ireo filoha nifandimby fa mpaminany sandoka ity pasitera ity, eny hatramin'ny teny Iavoloha nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona farany teo aza. Nohazavainy anefa fa io fifidianana amin'ny 2013 io dia tsy avy tamin'ny CENIT sy ny vondrona iraisam-pirenena fa avy tamin'Andriamanitra izay tsy maintsy tanterahan'izy ireo. Alarobia no voalaza fa hanatanterahana io fifidianana io, izay nofaritan'ny pasitera Mailhol fa mifanandrify indrindra tamin'ny andro nahafatesan'i Jesosy, izay midika famonjena izao tontolo izao.
Raha ny fanirian'ny Pasitera Mailhol dia tokony hiara-kilatsaka na i Andry Rajoelina na i Marc Ravalomanana saingy mitana ny teniny izy fa iray amin'izy roalahy ihany no hifaninana aminy amin'ny fiodinana faharoa ka eo no handrombahany ny fitantanana ny firenena. Raha tanteraka kosa hoy izy ilay "ni...ni..." averimberin'ny maro ankehitriny dia mazava ho azy fa "1er tour" dia vita ny ahy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.