Misy aretin-tsonia eto Madagasikara nefa tsy fantatra hoe rahoviana no ho tonga ny fanafody hoentin’ny Troika sy ny Sadc, hoy ny Pastera Edouard Tsarahame tetsy an-kianjan’ny Finoana Magro Behoririka omaly.
Izy ihany moa no namaly fa tsy misy an’io fanafody io any amin’ny hopitaly manara-penitra. Mbola kisarisarin-teny no nanohizany azy fa ny fihinanana azy dia iray maraina, iray antoandro ary iray hariva. “Tsy Ankolafy 3 ve izany ?”, hoy ny Pastera Edouard Tsarahame manontany. Nitondra valin-kafatra ho an’ny mpikambana iray ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita koa izy nanao hoe : “Ranaivo Raholdina, mpikabary mahay eto Madagasikara, raha 3% tokoa sisa ny Ankolafy 3, ny 97% ve tsy mahatafavoaka raharaha sa manao inona ? Mbola nampiany fa “tsy ianareo V8 ihany ve no niteny fa tsy ilaina ny Ankolafy 3 ?” “Hafa marina i Dada !”, hoy izy. Voalaza fa tsy misy mahay midinika noho ny Escopol eto Madagasikara nefa dia totohondry no hifampiresahana. Aleo ihany vitsy mijoro ary tsy mivadika amin’ny teniny. Madagasikara iray manontolo no hihetsika amin’ny sabotsy izao, hoy ny Depioten’Arivonimamo teo aloha Rodin Rakotomanjato, fa ho avy ilay mahery.
Ankoatra izay dia nokianin’ireo nifandimby nandray fitenenana tao amin’ny Magro koa omaly ny fanambaran’ny Frantsay, manohana ny FAT. “Roa taona sy tapany mahery ianareo no nanampy ny FAT kanefa tsy azony ny fankatoavana iraisam-pirenena ka ovay ny famindra. Ary tsarovy fa i Madagasikara dia ao anatin’ny kaontinanta afrikanina ka ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC no misahana ny olany fa tsy ianareo Frantsay mpanjanaka”, hoy ny Dr Jules Andriamaholison (TIM). I Andriamanana William (TEZA) koa dia tsy nisalasala namaky bantsilana tamin’ny filazana fa zavatra tokana no kendren’ny Frantsay dia ny hanao izay tsy hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Andriamanana William ihany no nampahatsiahy sady nanamafy fa ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC tao Sandton no nanapaka fa miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra ireo sesitany politika, ka anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana, fanapahan-kevitra izay nohamafisin’ny CPS tany Addis Abeba sy ny fihaonana antampon’ny SADC tany Luanda.
Manohy
Sary : Pastera Edouard Tsarahame (sary Rakotobe Michel)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.