Politique

Pastera Edouard Tsarahame Basy vava mampangovitra ny FAT ny anay


  • Talata 13 Septambra 2011

Raha trano i Madagasikara dia trano feno tranonkala ka manadio izany foana ny atao eto, hoy ny Pastera Edouard Tsarahame tetsy an-kianjan’i Magro omaly alatsinainy fiandohan’ny herinandro.

 Amin’ity kosa dia tsy ny tranonkala intsony no hoesorina, hoy izy manohy ny sarinteny, fa ny hala mihitsy. Fanontaniana maromaro no napetrany taorian’izay toy ny hoe : “iza tokoa no milaza abobo eto amin’ny firenena ? Misy demokrasia ve eto dia anaty fefy izahay ? Sonia ve sa tsy sonia ? … Dia notohizan’ity mpitari-tolona ity tamin’ny sarinteny manavanana azy ny resany tamin’ny hoe : samy hafa ny fipoakan’ny basintsika satria ny anay dia vava ihany fa mahatonga lavitra ary mampangovitra ny hafa (FAT). Azo hampanginina ny vava fa tsy voasakana kosa ny sitrapon’Andriamanitra ka dia hisy ho menatra sy hangahiahy eto amin’ny firenena. Nody ventiny ny rano nantsakaina ary ny lokalokanay dia tsy maintsy tafaverina eto ireo filoham-pirenena mirahalahy ary ny Malagasy no misafidy ny olona tiany hitantana azy, hoy ny Ben’ny tanàna, Guy Maxime. Mbola manana herinandro hieritreretana ianareo FAT, hoy izy, ka aza manaotao foana.

Nambarany tamin’ity kabariny tetsy amin’ny Magro ity koa fa ny mpanao politika dia tokony hijoro amin’ny heviny foana. Raha tena matanjaka ianareo nisintaka ireny dia aza mitondra ny anaran’olona (Dada), f’izahay indray dia tsy mivadika amin-dRavalomanana ary hamarana ny fanaovana politika mivadibadika lava io, hoy izy. Ny fananganana firenena miaraka amin’ny Filoha Marc Ravalomanana no tanjona. Amin’izao herinandron’ny demokrasia izao raha tena mihevitra ianareo fa mandala izany demokrasia izany dia omeo sehatra malalaka izahay. Vaovao hafakely no namaranany ny teniny nilaza fa nisy vazaha lava ranjanana maro tonga ary tsy nisy fisavana ny entan’izy ireo teny amin’ny seranan’Ivato ny alahady alina.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT