Politique

Pasitera Roger Randriamisata Nidina an-kianja


  • Alatsinainy 16 Aprily 2012

Manetsika ny vahoaka eny ifotony ny Ankolafy Ravalomanana taorian’ny amboletra nataon’ny FAT tamin’ny fandaniana ny lalànan’ny famotsoran-keloka ny herinandro lasa teo.

 Nisy ny hetsika nataon’ny KMFB teny Itaosy omaly alahady 15 aprily. Tazana nandritra izany ny Pasitera Roger Randriamisata, anisan’ny mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Tsy vitan’izay niditra kianja fa nandaha-teny namarana ilay fihaonana politika ny tenany. Midika io fa halohalika ny ranom-bary amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Efa madivadiva hitambatra ny hery, hoy izy. Nanentana ny olona hijoro tsara amin’ny fahamarinana sy ny hifankatiavan’izay rehetra olomarina izy. “Hitondra am-bavavaka izahay”, hoy ny Pasitera Roger Randriamisata izay nanohy fa tsy mora izay telo taona izay.

Fakofakon-javatra : Fa nitondra fanazavana ho an’ny vahoaka eny ifotony mikasika ny amnistia mahabe resaka ankehitriny kosa i Constant Raveloson. “Fakofakon-javatra io”, hoy izy ary “natao hiarovana an’i Andry Rajoelina” tamin’ireny zava-nitranga tamin’ny 26 janoary 2009. Koa rehefa tsy mety anarin’ny samy mpitondra izy, dia aleo hanarin’ny vahoaka, hoy hatrany i Constant Raveloson. Vory maro ny olona nandritra ity hetsiky ny KMFB Atsimondrano natao teny Itaosy omaly alahady 15 aprily tolakandro ity. Nisy fijoroana vavolombelona, ka na ireo gadra politika na ny solontenan’ny very asa dia samy nanamafy fa mbola vonona hanohy ny tolona ary hijoro hanambatra ny hery amin’izao dingana vaovao misy ny tolona hamerenana ny ara-dalàna izao. Miandrandra ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT