Ao anatin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra isika izao ary mbola manana 20 andro latsaka ireo kandidà mpifaninana ben’ny tanàna,
handresy lahatra an’ireo olom-pirenena sy ireo mpifidy amin’ny vina sy fampandrosoana ny kaominina izay ataon’izy ireo. Nanao antso avo amin’ireo kandidà mpifaninana rehetra tsy ankanavaka, ny mpitandrina Nestor Razafindramanitra nilazany fa aoka tsy hisy ny fifandranitana na fanaovana antsojay na eo amin’ny samy kandidà mpifaninana na ireo mpanohana sy mpiara-dia amin’izy ireo, mandritra izao fampielezan-kevitra izao. Ny vanim-potoana tahaka izao mantsy, hoy izy no matetika isehoan’ny fifampihantsiana. Olon-kendry ny olom-pirenena sy ireo mpanohana ka aoka samy hifandefitra mandritry ny fampielezan-kevitra na mandritry ny fotoana hanaovana ny fandatsaham-bato. Tokony hanaja ny lalàna mifehy ny fifidianana koa ireo kandidà tsirairay ary hampianatra ireo mpiara-dia amin’izy ireo ihany koa ny fanajana izay lalàna mifehy ny fifidianana izay, hoy hatrany ity pasitera ity. Nanao antso avo amin’ny olom-pirenena koa ny tenany hanamarina ny anarana ao anaty lisi-pifidianana sy hijery ny kara-pifidianana. Mahaiza mifidy sy mijery tsara izay kandidà mendrika hitondra ny kaominina, hoy hatrany izy. Hasehoy ny safidin’ny tsirairay, fa izay no maha tany demokratika ny firenena, hoy ny fanazavany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.