2018, taom-pifidianana. Nigadona izy ity. Na ny avy eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) aza dia efa niaiky tamin’ny faramparan’iny taona vao nilaozana iny fa efa mafampana sahady ny toe-draharaha.
Ny faran’ny herinandro teo koa no efa nahenoana sahady fa miainga any ny antsojay isan-karazany atao amin’ireo kandida heverina ho matanjaka. Naneho ny heviny amin’ny maha isan’ireo mpandray anjara amin’ny fifidianana fioham-pirenena azy sy ny maha mpaminany ny tenany omaly ny pasitera Maihol ary nilaza fa efa lova tsy mifindra nifandovan’ny mpitondra teto hatramin’izay io fanaovana antsojay ny mpifanandrina matanjaka io. Lasa politikan’ny valifaty no misy eto fa tsy fifampitana faneva, hoy izy. Raha hiresaka faminaniana momba ity taona ity isika dia ho mafy ny krizy, indrindra eo amin’ny lafiny politika. Mbola hiakatra ny vidim-piainana ary mboa hitotongana ny ariary. Na ny lalana mikasika ny teti-bolam-panjakana ho amin’ity taona ity aza dia manamafy io fiakaran’ny vidim-piainana io, hoy hatrany ny tenany. Hiakatra ny vidin-tsolika sy ny vidim-bary ary dia hiteraka krizy politika goavana izany, hoy izy namarana azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.