Niala tamin’ny fahanginany indray ny Pasitera Mailhol sy ny antoko politika noforonina dia ny GFFM (Gideona, Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara) ka naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaha eto Madagasikara ankehitriny omaly nanoloana ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Motel de Tanà Anosibe.
Raha teny fanolorana fotsiny ihany no nataon’ny filoha am-perinasan’ny GFFM, Atoa Rakotovao Andriamparany dia ny Pasitera Mailhol filoham-boninahitra no nitondra ny fanazavana rehetra nomen-dry zareo sy namaly ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety. Niompana tamin’ny lafin-javatra 7 ny famelabelarana nataony ka nilazany ohatra teo amin’ny resaka politika fa tsy mahazo fankatoavana iraisam-pirenena foana hatramin’izao i Madagasikara ary tena andrasana io. Faharoa dia tsy mbola tonga amin’ny tanjona kendrena dia ny fifidianana isika. Ahitana olana ny fifandraisan’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra amin’ny fanapahan-kevitra raisina. Tena taratra fa misy tsy fifanarahana ao. Eo amin’ny sehatry ny toekarena dia manangasanga, hoy ny gazety, ny mety ho fiakaran’ny solika noho ny tsy fisian’ny fanampiana ataon’ny fanjakana azontsika ka mety ho raharaha ny amin’io ato ho ato. Izany rehetra izany, hoy ny Pasitera Mailhol, dia vokatry ny tsy fisian’ny fanampiana ara-bola avy any ivelany.
Mihantona daholo ny raharaha vokatr’izany ka mitranga daholo ny fitrandrahana tsy ara-dalàna etsy sy eroa sitrany ahay fa efa mby an-koditra ny fahantrana ankehitriny. Iza no homen-tsiny amin’izany fa samy mahantra ka samy mitady ny ho azy. Tsy mbola nisy fitondram-panjakana nahita vahaolana tamin’ity resaka dahalo ity teto amintsika, hoy ny Pasitera Mailhol. Tsy sarotra anefa ny manafoana an’io raha miaraka misalahy ny fitondrana sy mpitandro filaminana ary ny vahoaka. Etsy an-kilany anefa misy koa ny ody gasy miaraka amin’izy io ka raha tsy misy herim-pivavahana miaraka amin’ny ady amin’io dia tsy tafavoaka. Ny vahaolana farany hitako, hoy izy, dia ny tokony hampitsaharana ao anatin’ny 10 taona ny fanondranana omby any ivelan’i Madagasikara fa mitady ho lany tamingana ny omby eto amintsika.
Ny fitokonana etsy sy eroa miankina amin’ny fanampiana ara-bola ny famahana azy. Tsy mbola hita taratra anefa ny hoe lany ara-dalàna tokoa ve ny volantsika ? Mikasika ny dinik’izy mianaka, Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, dia izaho mieritreritra fa misy fahendrena ihany ny eritreritra manao hoe : aleo any aorian’ny fetin’ny 26 jona efa milamindamina no hanatanterahana izany. Raha ny faniriako koa dia hoe eto Madagasikara no hatao izany nefa ny 70%-n’ny sori-dalana efa milaza fa ny avy any ivelany no manapaka an’izany. Izay eken’izy roalahy tsy olana fa ny olana mivaha no tadiavina fa tsy resaka toerana hivoriana. Ka anjarantsika sy ireo mpiandany amin’ny andaniny sy ankilany ny manaiky izay tapaka ao. Kisarisary maromaro no nomeny mikasika ilay fivoriana saingy tokony hanaiky ny rehetra, hoy izy, fa efa voalazan’ny tondrozotra fa mody ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ka ny fanaovana ny mifanohitra amin’izany dia tsy fahazoana miroso mankany amin’ny fifidianana. Efa ela ny GFFM no nilaza fa tokony hatao ny fifidianana. Ry zareo dia handrotsaka olona hatrany an-tampony ka hatrany amin’ny fifidianana farany ambany indrindra.
Misy kajikajy samihafa amin’ny famoahana ny datim-pifidianana izay lazain’ny iraisam-pirenena fa amin’ny volana mey amin’ny 2013. Tsy maintsy mody any amin’ny faran’ny volana novambra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ao anatin’izany. Mikasika ny fanambaran’ny FFKM dia mazava ny hevitry ny GFFM fa araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana dia tsy azon’ny FFKM mihitsy ny mandamina raharaha politika, tahaka ny tsy fahafahan’ny mpanao politika mandamina raharaham-pinoana. Ny resaka satanika dia tena misy ny “mouvement satanique”, hoy ny Pasitera Mailhol, fa io dia matahotra ny Apokalypsa fadiranovana ka raha tsy mahita vahaolana any dia manatona anay fa izahay tsy matahotra. Resaka natao hanakorontanana fitondrana. Nambarany ihany koa fa izy dia miresaka amin’ny ankolafin-kery rehetra na mpitondra na mpanohitra nefa dia tsy talentany ny midina an-dalambe ary mbola nohamafisiny fa manamarina ny faminaniana ny amin’ny hanolorana azy ny fahefana amin’ny 2013 ny zava-drehetra nohazavaina omaly.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.