Politique

Pasitera Mailhol Nanjavona


  • Zoma 25 Aprily 2014

Nilaza i Pasitera Mailhol, taona vitsivitsy lasa izay fa atolotra azy ny fitondrana aorian'ny firodanan'ny fitondran'ny filoha Ravalomanana.

 Nalaza nanomboka teo ny hoe Apokalipsy 2013 na Pasitera Mailhol no filoha amin'ny 2013. Rehefa nanakaiky hifarana anefa ny taona 2013 dia nambaran'ity Pasitera milaza azy ho mpaminany ity fa tsy ny tetiandro mahazatra antsika no hanisana ny andro sy ny volana ary ny taona amin'ilay faminaniany fa ny tetiandro Jiosy ka nambara fa manodidina ny volana aprily 2014 vao tena mifarana ilay taona 2013.Hifarana afaka 6 andro ny volana aprily ka asa na hisy fahagagana hitranga eto amin'ny firenena ka ho lasa filoha tampoka i Pasitera Mailhol.

Sa ve hamorona fialana bala hafa indray hanovana ny tetiandro ity mpitondra fivavahana iray ity ? Maro no mihevitra fa fanadihadiana ara-politika sy ara-tsosialy no ataon’ny Pasitera Mailhol fa tsy resaka faminaniana izany. Tsara homarihana fa anisan'ireo kandida ho filoha tamin'ny herintaona ny Pasitera Mailhol saingy nitsoaka an-daharana satria, hono, niresaka tamin'Andriamanitra izy ary nahazo toromarika mba hanohana izay kandida hita fa hampandroso ny firenena. Re taorian'izay fa hanohana an'i Ny Rado Rafalimanana i Pasitera Mailhol sy ny ekipany, vetivety teo anefa dia nanjavona tsy hita tabilao indray. Nangingina ary tsy dia niresaka faminaniana intsony taorian'izay ity filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalipsy ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT