Hanohana ny kandida Ny Rado Rafalimanana ny antoko GFFM (Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara) izay pasitera Mailhol no filoham-boninahiny. Araka ny nambaran’ity farany dia fanapahan-kevitry ny biraon’ny antoko io ka tsy afaka hitsipaka izany ny tenany.
“Isika manaja ny hevitry ny antoko fa tsy manao didiko fe lehibe”, hoy izy. Nampiany fa tsy misy idiran’ny antoko fivavahana FAM Apokalypsy mihitsy io fanapahan-kevitry ny GFFM io. Lainga tsara lahatra tsotra izao no ataon’ity pasitera maminany ny tenany ho filoha amin’ny 2013 ity satria vao ny alakamisy teo taorian’ny fanambaran’i Ny Rado Rafalimanana ny firotsahany no namonjy azy teny an-tokantranony eny Andohanimandroseza ny pasitera Mailhol. Na dia nilaza aza izy ireo fa amin’ny maha mpinamana no nahatonga ilay fihaonana dia azo inoana ny fisian’ny dinika momba io fanohanana an’i Ny Rado Rafalimanana io. Manaraka izay dia tsy nahita havaly koa ny pasitera Mailhol raha naverina nanontaniana taminy ny fanambarany teo aloha milaza fa sesitany politika no ho lany filoha eo. Mametraka azy ho mpitari-bato vilam-bava ny fihetsiny raha izany satria kandida izay tsy sesitany politika akory no tohanan’ny antokony amin’izao.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.