Mizotra mankany amin’ny faminaniako ny zava-misy ankehitriny, hoy ny pasitera Mailhol manoloana ny soso-kevitry ny Firenena Mikambana ny hanatontosana fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka miaraka amin’ny volana mey na jona taona 2013.
Ity pasitera ity izay nilaza hatrany fa izy no hitondra ny firenena amin’ny taona 2013. Araka izany dia mila mifampiraharaha aminy ny mpitondra sy ny mpanohitra. “Raha tsy izaho no lany ho filoha eo dia misitriha na mandosira ianareo mpitondra ny tetezamita ankehitriny. Toerana ifandimbiasan’ny mpanao politika mantsy ny fonja ka tsy maintsy hanao ireo mpanohitra raha tafakatra eo” . Nitondrany fanazavana koa ny resaka “gropy satanika” izay mahavoatonona ny anarany ho mpampiely izany. Nilaza ity filohan’ny Fikambanana Apokalispy eto Madagasikara “FAM” ity fa tsy misy porofo izany matoa ny fanjakana izay nampanao fanadihadiana momba io resaka io tsy misambotra azy. “Satana aza anie matahotra anay ka raha misy mila alaina devoly any dia ento aty aminay”, araka ny nambarany hatrany.
Mbola nohamafisiny koa fa ny fanondranana omby no anisan’ny mahatonga ny asan-dahalo sy ny raharaha Befotaka amin’izao. Misy mihitsy ny tambajotra mpiray tsikombakomba manomboka eo anivon’ny mpitandro filaminana, ny Kaominina, ny Distrika, ny tribonaly ary mpitondra ambony mamoaka ny omby halatra, araka ny heviny ihany. Soso-keviny ny fanafoanana ny fanondranana omby velona sy ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fametrahana “puce” azo anarahana amin’ny alalan’ny GPS ny toerana misy ny omby fa tsy atao amin’ny kavina toy ny mahazatra.
Ny tamberimbidy azo avy amin’ny varotra omby no amatsiana io tetikasa io. Eo amin’ny lafiny ara-pinoana dia nandiso ny feo miely fa hafindra etsy amin’ny tany malalaka Andohatapenaka ilay fiangonana Apokalipsy misy rihana rehefa lany filoha ny tenany amin’ny taona 2013. Nambarany fa tazonina eny Ambohimarina andrefan’i Vinany ny tetikasa saingy noho ny lafiny ara-bola no mampiatona ny fananganana azy. 62 miliara Ariary mantsy ny tetibola ilaina ka aleon’ny FAM aloha manangana fiangonana madinidinika maro.
Yves
Sary : Pasitera Mailhol, filohan’ny Fikambanana Apokalipsy eto Madagasikara
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.