Politique

Pasitera Mailhol Hopotehan’ny fanjakana HVM …


  • Alarobia 30 Aogositra 2017

Tsikaritra ho mangatsiaka ny fifandraisana eo amin’ny fiangonana Apokalipsy, tarihin’i André Christian Dieu Donné na Pasitera Mailhol sy ny fanjakana Rajaonarimampianina amin’izao fotoana.

 

 Nifandray ny tadin-dokanga anefa izy ireo tany aloha, saingy lefy ankehitriny. Niezaka naka ny fon’ny apokalipsy i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013, ary toa nirindra sy nilamina ny fifandraisana teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Mbola nitohy ihany taty aoriana. Matetika no hita tamina hetsika lehibe nataon’ny fiangonana Apokalipsy ny solotenam-panjakana. Ny 21 desambra 2016 aza, dia notoloran’ny fanjakana mari-boninahitra ambony “Commandeur de l’Ordre National” mihitsy ity mpitondra fivavahana ity. Nanantena mafy ny mbola hanohanan’ny Apokalipsy azy amin’ny taona 2018 ny fanjakana HVM, saingy toy ny sosoa voatapo-drano rehefa nanao fanambarana miezinezina teny amin’ny Coliseum ny 5 aogositra lasa teo i Pasitera Mailhol, fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenana. Tsy dia mahafaly loatra ny HVM io. Mananontanona ny don-tandroka, ka tombanana hampitoviana lasitra amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina i Pasitera Mailhol satria efa tsy namana hanohana amin’ny fifidianana, fa mpifanandrina amin’ny tena. Paikady hampiasain’ny HVM rahateo ny adin’ny kanosa tsy misy afa-tsy fisoparana sy ny ramatahora.

May volon-tratra ny HVM

Manana ny olony ny apokalipsy na voasokajy ho fiangonana zandriny aza, ka izay no naha diso fanantenana tanteraka ny HVM sy toa niatahany ka aleo mitady mpanohana hafa.  Efa nisy rahateo fanambarana nataon’ny pasitera Mailhol ny 29 desambra 2016 tamin’ny fandisoany vaovao niparitaka tamin’ny tambajotra “facebook” mombana fikononkononana ny hanongam-panjakana miaraka amin’i Andry Rajoelina, ka nilazany hoe “Izahay sisa ianteheran’ny fitondrana”, ka tsy ny Apokalipsy mihitsy no andeha hanongana. Voatery mitady hirika sy fomba hakana ny fon’ny fiangonana hafa ny fanjakana ankeihitriny, ka hita hatrany i Hery Rajaonarimampianina rehefa misy ny hetsika ara-pinoana lehibe. Midodododo sy mahavita mizarazara vola mihitsy hakana ny fon’ny mpitondra fivavahana sy ny mpino, ary hatrany am-piangonana no manindry aloka sy milaza tena ho mahavita azy eo anatrehan’ny mety ho mpifanandrina aminy amin’ny 2018.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT