Politique

Pasitera Mailhol “Aleoko tsy manonona daty intsony”


  • Zoma 30 Mey 2014

Sarotra ny mitondra firenena, hoy i Pasitera Mailhol, raha nanontanian’ny Tia Tanindrazana ny heviny mahakasika ny fijoroan’ny antoko HVM sy ny zava-misy tena iainan’ny firenena ankehitriny izy teny amin’ny Carlton Anosy omaly.

Tsy misy olona hijoro, hoy izy, ka hilaza ny mifanohitra amin’ny hoe : vonona hampandroso an’i Madagasikara izahay fa ny ataony no hitsara azy eo. Izaho anefa mahita, hoy i Pasitera Mailhol, fa mbola ho sarotra ihany koa ny miandry ahy amin’ny fahazoako ny fitondrana. Nanamafy ity filoha mpanorina ny Fikambanana Apokalypsy ity fa mbola mitombina ny faminaniany satria “voalaza tamin’iny fa aorian’ny fitondra roa hifandimby taorian’ny filoha Marc Ravalomanana aho no hitondra ny firenena. Ilay faminaniana azo tamin’ny taona 2003 no nilaza izany niaraka tamin’ny hoe 10 taona aorianan’izao ianao no ho tonga eo amin’ny fitondrana». Mbola tsy nisy anefa, hoy izy, ireo mpitondra roa nifandimby taorianan’ny filoha Ravalomanana ka izay no tsy nahatanteraka ny 2013. Haveriko fa mbola manan-kery ilay faminaniana fa aleoko tsy manonona daty intsony fa tena miankina amin’ilay fifandimbiasam-pitondrana ilay izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT