Politique

Pasitera Maihol Marc Ravalomanana no vahaolana


  • Alatsinainy 26 Septambra 2011


 “Tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena ary tsy hilamina mihitsy eto Madagasikara raha tsy mody Ravalomanana”, hoy ny Pasitera Maihol raha niresaka tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy 24 septambra teo nandritra ny hetsika nataon’ny Apokalipsy tao amin’ny kianjan’ny vélodrome Antsirabe. Lany andro fotsiny, hoy izy ny mpanelanelana Malagasy satria tsy nilaina ary tsy nampiasaina akory izay vokatry ny asany izay fa ny an’ny SADC sy ny Troika ihany no nankatoavina sy harahina. Aminy dia tokony hampiharina izay nosoniavina sy nekena fa tsy arirarira sy fitahina lava ny vahoaka malagasy. Nitondra fanazavana ihany koa ny tenany amin’ny fampiasam-bolany izay lazain’ny sasany fa fanadiovam-bola ka nilazany fa tsy ny fanjakana no tena manenjika azy amin’izany fa olom-bitsy ihany ary nolazainy fa ampy azy ny ampahafolon-karena aloan’ny olona !

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT