Politique

Pasitera Edouard Tsarahame Mila famonjena ny mpanao politika


  • Alarobia 19 Septambra 2012

Tsy mahatanteraka antsakany sy andavany ny asam-panompoana nanendren’Andriamanitra azy ny Pasitera mitana andraikitra politika toy ny CT na CST, hoy ny fanamarihan’ny olona maro fa variana amin’izany resaka politika izany ka mivahavaha be ihany ny fiainan’ny ondry andrasany.

 Ny Diakona na ny Evanjelistra no saika misolo toerana azy ireo matetika. Marina ilay teny hoe : variana ilay Pasitera, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame namaly izany resaka izany. Aza adinoina anefa, hoy izy, fa tsy ao am-piangonana ihany ny asan’ny pasitera fa na aiza na aiza toerana izay rehetra misy olona dia azon’izy ireo hanaovana ny asany. Tsy hoe ao am-piangonana ihany, hoy izy, ny fanahy vonjena fa ivelan’ny fiangonana dia be dia be koa no mila izany.

Na ireo mpanao politika dia fanahy namboarin’Andriamanitra mila famonjena koa ireo ka iza àry no afaka hamonjy an’ireo raha tsy misy olona afaka mifanerasera aminy hamonjy azy ? Ka ny asan’ny pasitera dia natao hamonjy ny olona rehetra ka anisan’ny olona rehetra ny mpanao politika. Ny toriteny fototry ny finoana dia tsy voatery hoe eny amin’ny pilopitra, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, fa ny fifampiresahana dia efa toriteny, ny fiainanao vakian’ny olona isan’andro dia efa toriteny, ny teny ataonao amin’ny mpiara-belona dia efa toriteny. Ho an’ny mpanao politika dia azo atao tsara ny mitoriteny sy mandresy lahatra azy ho ao amin’i Jesosy Kristy Tompontsika. Ny lojika ao anaty Baiboly moa dia mba ho fitaratra amin’ny zavatra rehetra ny mpitarika. Na ao an-trano na eny an-dalana na ao an-tanàna na eny an-tsaha na aiza na aiza toerana alehany dia tokony ho fitaratra hotahafin’ny olona foana satria izy no ambasadaoro na solontenan’Andriamanitra eto ambonin’ny tany.

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT