Politique

Pasitera Edouard Tsarahame Efa mivonona haka fahefana


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Tazana teny amin’ny hotely Colbert Antaninarenina nandray anjara tamin’ny dinika nifanaovana tamin’ny Troika-SADC notarihan’Atoa Fransman ny mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert nahitana an-dry Pr Miandrisoa, Rtoa Lalatiana Ravololomanana, Pasitera Edouard

 Ity farany dia namaly nivantana ny fanontaniana napetraky ny Tia Tanindrazana taminy nanao hoe : fa angaha ianareo tsy manohitra indray ilay sori-dalana ka hifampidinika ny amin’izy io ety ? Ny tena antony hatongavanay eto, hoy izy, dia ny nanontany ny Troika-SADC hoe : voaaraka antsakany sy andavany ve hatreto ny voalazan’ny sori-dalana rehetra ? Dia hitondra fanazavana ho azy ireo koa izahay fa tokony hampiharina isan’andininy hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny sori-dalana ary raisina tsirairay mihitsy ara-bakiteny fa tsy izay mahametimety ny sasany ihany. Tsy voahaja araka ny tokony ho izy mantsy, hoy izy, ny voalaza ao mikasika ny fanendrena mpitantana isan-tsokajiny ao amin’ny tetezamita tena izy ka izany no tsy hidiranay ao amin’ny CST sy CT hatreto. Raha izay lisitra minisitra sy CT ary CST izany, hoy ny Pasitera Edouard, dia efa ela izahay no vonona tamin’izany satria matoa manao politika dia mihevitra ny hitondra fanjakana ka mifanindran-dalana amin’izany ny tetika hakana fahefana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT