Politique

Pasitera Edouard Tsarahame “Efa lasan’ny Karana hatramin’ny fasan-drazantsika”


  • Alarobia 20 Janoary 2016

Hita fa mihazakazaka daholo ny olona izao amin’ny resaka fanendrena ho senatera sy fanovana governemanta mety hitranga atsy ho atsy ka mihazakazaka manatona ny tompon’andraikitra mahefa sao mba…

 fa ho’ahy Pasitera Edouad Tsarahame dia tsy vahaolana ho an’ity firenena ity ny fizarana seza fa tokony hieritreritra ny rehetra na dia hoe tokony hitondra anjara biriky ho an’ny firenena fa tsy ny fitadiavan-tseza ny ahy fa vahaolana ho an’ny firenena no katsahiko ary tsy amin’ny fisolelahana sanatria no hanaovako izany. Izaho aloha mino fa tsy hotendrena satria tsy mbola nisy fifampiresahana natao ary raha nisy aza tsy hanaiky aho. Raha resaka maha mpanohitra ahy no resahina dia zavatra hafa indray izay. Lazaiko etoana fa mampalahelo ahy ny fitondrana ity firenena ity ka izany no tsy mampaharisika ahy amin’ny fanendrena. Lasa ozona ho an’ny firenena mihitsy ny mpitondra faratampony antsika ankehitriny fa tsy mba mitondra fitahiana ho an’ny mpiara-belona intsony  ka atao ahoana ny hiara-kiasa amin’izany ? Marihiko,  hoy ity mpanao politika ity, fa tsy misy zavatra antsika Malagasy intsony eto amin’ity nosy ity. Ny taolan-drazantsika izay saro-pady indrindra amintsika  efa tsy antsika intsony fa misy mangalatra, ny tanintsika efa tsy antsika, ny boaderozy efa tsy antsika koa, hatramin’ny fasan-drazantsika aza efa lasan’ny Karana ka inona intsony ?

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT