Politique

Pasitera Edouard Tsarahame Akoho tsy naneno hatrizay tsy maneno intsony


  • Talata 23 Aogositra 2011

Samy nidera sy nisaotra ny mpikarakara ny hetsika tamin’ny sabotsy teo avokoa ireo mpandahanteny tetsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka omaly.

 Fampisehoana ho antsika eto sy indrindra ho an’ny any ivelany ireny fa vahoaka isika, hoy ny vehivavy TIM avy ao amin’ny Boriborintany I eto an-drenivohitra. Manamafy ny fisaorana ny depioten’i Faratsiho teo aloha, Henri Randrianjatovo, ary manaitra sahady fa ho avy ny solontenan’ny Troika, SADC sy CPS hijery ifotony ny tranga eto Madagasikara.

Somary henkakenjana kokoa ny nanohizan’i Guy Maxime izany tamin’ny filazana hoe : “fahombiazana ireny tamin’ny sabotsy ireny ary mihorohoro ny FAT fa tsy voatana intsony”. “Aza mitady hevitra hafa intsony ianareo fa akoho tsy naneho hatrizay tsy maneno intsony”, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame. Torohevitra kosa no nomen’ny depioten’i Brickaville teo aloha, Leriva Manahirana, fa raha misy ny manontany hoe rahovina ihany no hody ny Dadanareo, dia valio fa ho avy izy ary efa nahandry ihany izahay ka hiandry hatramin’ny farany. Tsy tapitra ny tolona eto an-kianja raha tsy migadona eto i Dada ary mialà amin’i Madagasikara izay tsy te-hihavana, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT