Mitaky ny handravana ny governemanta ankehitriny ny Parti-Havana (Hasin’ny Vahoaka Navotana), mba hisian’ny rafi-pitondrana vaovao hitantana ny fifidianana hisian’ny madio sy mangarahara ary vokatra heken’ny rehetra.
Nomarihin’ireo antoko mivondrona amin’ny Parti-Havana fa sarotra ny hisiana fifidianana amin’ity taona ity raha ny zava-misy hatramin’izao no asian-teny. Tokony hialohavana fitoniana izay fifidianana hatao ahafahan’ny rehetra miady hevitra an-kalalahana amin’izay tokony hitondrana ny raharaham-pirenena. Toy ny tsy misy ny fianianan’ny filoham-pirenena vaovao eo raha tsy vita tao anatin’ny fitoniana ny fifidianana, hoy Rabenala José mpitondratenin’ny Parti-Havana. Efa mba misy mangirana kely amin’izao fotoana izao ny famahana ny olan’i Madagasikara, hoy izy, raha ny fanambarana navoakan’ny Vondrona afrikanina no asian-teny. Mahavelom-panantenana ny hiverenan’i Madagasikara ao anaty fianakaviambe iraisam-pirenena na dia mbola ny mpitondra irery ihany aza aloha ao anatin’izany no mahita tombontsoa aminy. Manolo-kevitra ny hanatontosana fifidianana lalàm-panorenana mialohan’ny fifidianana rehetra koa ny mpikambana, ho arofanina amin’ny tsy fanarahan-dalàna mety hataon’izay mahazo fahefana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.