Parti-HAVANA

> Manahy ady an-trano


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013

Ny fitoniana aloha no tokony hokatsahina voalohany amin’izao vanim-potoana misy antsika izao fa tsy fahendrena mihitsy ny fikarakarana fifidianana amin’izao zava-misy iainan’ny firenena izao, hoy ny Parti-HAVANA (Hasin’ny Vahoaka Navotana) tarihan’Atoa Rabenala José.

Tena diso lalana tanteraka ny fanelanelanana nataon’ny Iraisam-pirenena, hoy ity mpanao politika ity, satria raha tsy misy io fampihavanana io dia tsy hisy fifidianana ho vanona izany eto. Tsy misy afa-tsy ny fanohanana ny ezaka fampihavanana aton’ny FFKM no hahatafavoaka antsika, ka iantsoanay ny mpiray firenena ny fanohanana azy, hoy Rabenala José izay sady mpitarika ny vondron’antoko politika ERDR de Madagascar (Exploits des Républicains et Démocrates pour le Redressement de Madagascar) ihany koa. Soso-kevitra iarahan’ny Parti-HAVANA sy ny ERDR de Madagascar mandroso ny hanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka na fifidianana lalàmpanorenana mialoha ny hifidianana izay olona vaovao hitondra ny firenena. Fa ahiana hiafara amina ady an-trano kosa ny kiribibin’ny CENI-T noho ny faneren’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hiroso amin’ny fanaovana fifidianana», hoy ihany Rabenala José.

 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT