Nanaitra ireo parlemantera frankofona vahiny miatrika ny fivoriana andiany faha-42n’ny «Assemblée Parlementaire Francophone» eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny akon’ny ady hevitra eny anivon’ny fiaraha-monina Malagasy mikasika ny lalàna vaovao hifehy ny tontolon’ny serasera nolanian’ny solombavambahoakan’i Madagasikara.
Antony nahatonga ny vaomieran’ny Fanabeazana, ny Serasera ary ireo Raharaha ara-kolontsaina nisafidy tamin’ny ora farany ny fandinihana ny lohahevitra mikasika ny fanehoan-kevitra malalaka, araka ny fanazavan’ny filohan’ny vaomiera Didier Berberat. Tsy nanafina ny ahiahiny ny amin’io lalàna noteren-ko masaka mifanohitra amin’ny fahalalahan’ny fikirakiram-baovao io rahateo ity farany. Miteraka olana hatrany mantsy ny fanapahan-kevitra manohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Mitaky fandraisana andraikitra sy fanajana fitsipi-dalao anefa ny fahalalahana maneho hevitra izay andrasana amin’ny mpanao gazety sy ireo parlemantera mandritra izao fihaonana izao, araka ny nambarany. Fikambanana tena sarotiny amin’ny fampanjakana ny fahafahana maneho hevitra malalaka, indrindra ny mahakasika manokana ny tontolon’ny fampahalalam-baovao moa ny OIF.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.