“Miova sata, miova andriana », hoy ny Ntaolo. Izany tokoa no nitranga ny tolakandron’ny talata 10 septambra 2013 lasa teo fa dia sambany tato anatin’izao tetezamita izao no nisy fitsidihina ara-pomba fifanajana nataon’ireo Parlemanteran’ny tetezamita ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra ka tsy nisy fanavahana ankolafy izany fa tonga avokoa ny rehetra afa-tsy ireo izay nametraka fialan-tsiny. Nambaran’ireo nandray fitenenana nisolotena ny maro fa tanjona ho azy ireo ny hampandrosoana an’i Vakinankaratra saingy tsy nomena sehatra izy ireo nandritra ny fitondran’ny lehiben’ny Faritra teo aloha, ary tsy mba nampahafantarina akory ny asa atao any amin’ny Distrika misy azy akory. Nangatahin’ireto parlemantera ireto ny hamerenana indray ny mpanolotsaim-paritra izay nofoanan’ny lehiben’ny Faritra teo aloha kanefa tsy nisy na dia didim-pitondrana akory aza nanafoanana izany. Nahafaly ny lehiben’ny Faritra ity fihetsika ity ka nolazainy fa hohatsaraina ny fifandraisana eo amin’ny samy mpitondra fanjakana ary hodinihina ny ahafahana mamerina ny mpanolotsaim-paritra. Fantatra nandritra ity fihaonana ity fa ny 24 septambra izao no hametrahana amin’ny fomba ofisialy ny lehiben’ny Faritra ka efa nampandrenesina sahady ireo Parlemanteran’i Vakinankaratra ireto.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.