Tsotra ny adihevitra ho an’ireo parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia ny fiverenana an-tanindrazan’ireo sesitany politika rehetra ato anatin’ny fotoana fohy, tsy misy fepetra, indrindra fa ny filoha Marc Ravalomanana.
Eo koa ny famoahana ny gadra politika rehetra ary ny fanalalahana ny haino aman-jerim-pirenena sy ny famohana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT. Ho an’ny eo anivon’ny Kongresy (CT), raha ny fanazavan’i Guy Maxime Ralaiseheno dia paika voalohany ihany no vita dia ny fandaniana an’i Mamy Rakotoarivelo ho filohan’izany andrim-panjakana izany. Na dia efa nitarika lavitra tamin’ny isam-bato aza mantsy i Voninahitsy Jean Eugène tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny CT dia mbola nivoaka ho mpandresy i Mamy Rakotoarivelo tamin’ny vato 184 no ho 129. Anio alakamisy no hifidy izay ho mpikambana ao amin’ny birao maharitra ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy ireo. Ho an’ny eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) kosa, raha ny fanazavan’ny Me Hanitra Razafimanantsoa dia voatery nisintaka ireo voatendry ho CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Na vitsy an’isa aza izy ireo, raha ny fanazavana ihany dia manana ny vava sy ny saina ho fitaovana hiadiana. Lalàna efa lany andro no nanaovana ny fifidianana izay ho mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny CST. Tsy nohenoina koa izy ireo ary tsy nomena fitenenana raha nanangan-tanana. Manoloana izany, dia nametraka ny antsoina hoe «réserve» izy ireo. Ankoatra ny fifidianana izay ho mpikambana eo anivon’ny birao maharitra dia nambara ihany koa, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa fa holaniana maika ny fankatoavana ny sori-dalana hamonjena ny fivorian’ny Filankevitry ny fandriampahalemana sy ny filaminana na ny CPS. Araka izany, dia tsy nandray anjara amin’izay fifidianana tadiavina hatao, na ny asam-baomiera na izay fampandaniana maikamaika sy ankamehana tadiavina hatao ny ankolafy Ravalomanana, hoy ihany ity mpisolovava ity. Nambarany ihany koa fa tsy nisy fifanarahana natao ny nidirana tao amin’io andrim-panjakana io fa tamin’ny filoha Ravalomanana ihany izay nifanarahana fa tsy hijanona amin’ireny toerana ireny rehefa hita fa tsy mety. Araka izany dia tsy mankato ary tsy mandray anjara amin’izay rehetra tapahana ao amin’ny CST ny ankolafy Ravalomanana, hoy izy. “Raha mitohy izao zavatra izao dia tsy misy antony hijanonanay rehetra na ny ao amin’ny governemanta, na ny CT na ny CST”, hoy ihany ny Me Hanitra Razafimanantsoa.
Ny momba ny famoahana ireo gadra politika, ohatra, raha ny fanazavan’ity mpahay lalàna ity, dia ny olona efa voampanga, efa tapi-dalan-kaleha no mila famafan-keloka. Ny filoha Marc Ravalomanana, hoy izy tsy mila izany amnistia izany. Noho izany tsy mila parlemantera hoe handany ny aministia. Ireo gadra politika indray, raha ny vaovao ihany dia mbola misy tsy voatsara ny sasany. Raha nampiharina araka ny tokony ho izy ny sori-dalana, hoy ihany ity mpisolovava dia tokony i Andry Rajoelina sy ny praiminisitra Omer Beriziky no maka fanapahan-kevitra toy ny didy hitsivolana na didim-panjakana ho amin’izany saingy ny zava-misy amin’izao dia fandrirarirana no atao. Araka ny efa fantatra moa dia efa nandefa taratasy fitoriana milaza ireo zavatra tsy ara-dalàna ireo any amin’ny Troika sy ny CPS ny ankolafy Ravalomanana, Zafy Albert ary Monja Roindefo. Izao hetsika nataon’ireo CST voatendry avy amin’ny ankolafy Ravalomanana izao dia hanamafy izay taratasy izay.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.