Nohamafisin’izy 87 mianaka, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) sy ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita (CST) avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana tamin’ny fanambarana an-tsoratra nampahafantarina ho fanta-bahoaka tao an-kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy 14 jolay 2012, ny fisintahan’izy ireo tsy handray anjara amin’ny fivorian’ny CT sy CST raha mbola mitohy mandringa sy manosihosy ny tondrozotra tahaka izao ny tetezamita mijoro.
Mitohy ny fisintahana, hoy izy ireo, raha mbola mampifandrafy politika tahaka io na manosika hampiala ny ankolafy Ravalomanana ny manodidina an-dRajoelina izay efa mitetika hanafoana ny tondrozotra rahateo. Fanambarana iraisana no nataon’ireo CT sy CST, ary soniavin’ireo filohan’ny vondrona parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana eo anivon’ireo andrimpanjakana mpanao lalàna ao anatin’ny tetezamita. Namaky ampahibemaso ny fanambarana ny CST Ramarosonarivo Jeanson. Nanipika mazava izy ireo fa mitsipaka rehefa mety ho lalàna natao na mbola hatao ho amin’ny fampitoniana kanefa volavolaina sy laniana ivelan’ny marimaritra iraisana. Tetika hanaovana fifidianana petatoko hanendrena prezidan’ny repoblika sy parlemantera hanohy ny efa lalan’ny fandrombam-pahefana fotsiny izany, hoy ireto CT sy CST Zanak’i Dada ireto.
Ankoatra izay dia nidera ny finiavan’ny SADC hampihaona ny prezidà Marc Ravalomanana amin’ingahy Rajoelina mba hampiravona ireo olana tsy mampandeha ny tondrozotra amin’ny laoniny izy ireo. Na izany aza dia nampitandrina izy ireo fa potika ny firenena ary mizotra amin’ny tsy misy fanjakana ny tany koa fady ny mitaredretra. «Melohinay noho izany ny fandrirarirana”. Miangavy ny parlemantera sy ny mambran’ny Governemanta ireto Zanak’i Dada ireto, hanao an-jorom-bala izay mikiribiby amin’izao tetezamita tian-kano tsitian-kano miafina endrika izao. Manao antso koa izy ireo mba hifarimbona ho amin’ny marimaritra iraisana, hampihatra amin’ny laoniny ny tondrozotra ary hampifandanja ny andrim-pitondrana sy ny hery anivony. Izay no miantoka ny lalan-kivoahana sy ny vahaolana faobe ary mahatsinjo ny fankatoavana iraisam-pirenena, hoy hatrany ny fanambarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.