Politique

Parlemantera zanak’i Dada Hitety Kaominina hanentana ny olona


  • Talata 16 Aprily 2013

Tsy maintsy voatety avokoa ato anatin’ny fotoana fohy ireo Kaominina 25 ao anatin’ny Distrikan’Ambohidratrimo hanazavana mikasika ny raharaham-pirenena, hoy ny CT Rakotobe Naly avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

 Tarigetran’ity ankolafy ity rahateo izany, hoy izy. Tamin’ireo Kaominina efa nandalovana dia mitaraina ireo mpiara-belona fa tena tsy mahazo vaovao mihitsy ka tsy mahalala na inona na inona amin’ny fandehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Voaporofo tanteraka izany, hoy izy, amin’ny fametraham-panontaniana saika tsy misy farany rehefa miditra amin’ny dinidinika mivantana ny hetsika hatao miaraka amin’izany vahoaka izany. Tahaka izany niseho tamin’ny sabotsy teo teny Ambohibao Antehiroka ka nahavory olona maro dia maro tokoa, dia tsy hatao tompon-trano mihono intsony ny vahoakan’ny distrikan’Ambohidratrimo, hoy ity CT voatendry avy eny an-toerana ity. Tsy maintsy hamafisina amin’ny alalan’ny firaisankina  ny tolona nimatimatesana hatramin’ny efa-taona izao. Ny fampandaniana ny kandidà atolotry ny ankolafy Ravalomanana izao no himasoana mba hanatrarana ny tanjona fampanjakana ny fahamarinana sy ny rariny sy hitsiny ary ny tany tan-dalàna sy ny fandrosoana marina eto amin’ity firenena malagasy ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT