Politique

Parlemantera Zanak’i Dada “Aza gaga raha mitroatra ny vahoaka”


  • Alatsinainy 02 Jolay 2012

Nizara vaovao tamin’ireo mpiara-mitolona aminy ao Toamasina ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy tolakandro teo, teo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V.

 “Omena tsiny hatrany ny parlemantera Ravalomanana fa tsy mamonjy fivoriana ao Tsimbazaza sy Anosikely. Ny anay dia efa nambaranay ampahibemaso ny antony, fa ny azy ireo mpigitrika tsy mamonjy fivoriana ireo manao ahoana ?”, hoy ireo Parlemantera ankolafy Ravalomanana Toamasina. Nambaran’ireto farany fa azon’izy ireo tsy omena raha izany tambin-karama izany raha tiany. Mahagaga anefa fa antsoina hatrany izahay haka vola. Nomarihan’izy ireo hatrany fa amin’ny herinandro mifankahita. Na sakanana aza mantsy ny fihaonana eo amin-dRavalomanana sy Rajoelina, dia tsy maintsy hisy io. Ankoatra izay, nanisy teny mikasika ilay fanimbana ireo ahi-maitso eo anoloan’ny lapan’ny tanànan’i Toamasina nametrahana fefy be eo amin’ny araben’ny fahaleovantena koa izy ireo. “Nanenjehana ny filoha Ravalomanana ny fanaovana didy jadona, ankehitriny iza izao no mpanao teny midina tsy ifampierana akory, izay hitam-poko hitam-pirenena ? Koa aza gaga raha mitroatra ny vahoaka”, hoy hatrany ireto parlemantera ireo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT