Nanatanteraka Atrikasa niaraka tamin’ireo Vehivavy Parlementera teny amin’ny Hôtel du Louvre Antaninarenina ny ONCD na ny « Office National de Concertation sur la Décentralisation » omaly alatsinainy 5 desambra 2016.
Atrikasa nokarakarain’ny EISA, niompana tamin’ny lohahevitra « Ny miralenta sy ny fampandrosoana ifotony ». Ny Parlemantera koa, araka ny fantatra, dia misahana ny andraikitra mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Izao no natao dia mba hanampiana azy ireo amin’ny fanamafisana traikefa momba ny fampandrosoana ifotony.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.