Politique

Parlemantera tsy miankina Saro-piaro amin'ny raharahan-tokantranon'ny Malagasy


  • Alatsinainy 20 Mey 2013

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ireo Parlemantera tsy miankina mpikambana ao amin'ny Kongresin'ny tetezamita.

 Nambaran'izy ireo fa efa mila tsy ho zakan'ny vahoaka intsony ny zava-misy iainana ankehitriny ka tsy maintsy mandray andraikitra izy ireo amin'ny fampitana ny hafatra. Nanaovan'izy ireo antso avo voalohany amin'izany ireo mpanao pôlitika izay nambarany ka tokony hampitsahatra tsy misy hatak'andro ny fambolena korontana amin'ny endriny samihafa sy ny fiketriketrehana zavatra hafa. Toraka izany koa ny fianakaviam-be iraisam-pirenena izay notsindrian’izy ireo mafy fa tsy tokony hitsabaka amin'ny raharahan-tokantranon'ny Malagasy.

Notsindrian'izy ireo manokana tamin'izany ny mikasika ny hevitr'ireo mpamatsy vola ny amin'ny tsy tokony hirotsahan'ireo kandida mianaka mirahalahy amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena hotanterahina ny 24 jolay ho avy izao. Antso avo, araka izany, no ataon'ireo Parlemantera tsy miankina amin'ny vahoaka mba hahay hiray hina hahatongavana amin'ny tena fanovana marina izay handraindrain'ny rehetra. Manohitra ny mety ho fanemorana ny fifidianana indray izy ireo mba tsy hitaran’ny tetezamita indray.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT