Mila olona efa voasedra Antananarivo, mila raiamandreny Antananarivo, mila olona sahy, manana traikefa, mila olona manaporofo fa nahavita, mahavita ary mbola hahavita Antananarivo, hoy ny fanambaran’ireo parlemantera lany tamin’ny anaran’ny Antoko TIM omaly.
Mila olona manetry tena, tsy mieritreritra afa tsy ny tombontsoa iombonan’ny maro an’isa, tsy mpihatsaravelatsihy, tsy mpanao kobaka am-bava sy fampanantenana poakaty fa mahalala ny lalana aleha sy ny fomba ahatongavana any amin’ny tanjona dia ny fandrosoan’Antananarivo. Noho ireo antony maro ireo, izahay Depiote voafidy tamin’ny anaran’ny TIM teto Antananarivo dia miantso, miangavy, mangataka anao Andriamatoa Ravalomanana filoham-pirenena teo aloha, filohan’ny Antoko TIM ary filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra, hanaiky ho kandida ben’ny tanàna Antananinarivo Renivohitra, hoy ny fanambarana teny Bel’Air omaly. Fantantray sy hinoanay fa olona manetry tena ianao ka na efa teo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena aza tsy manambany velively anao izany araka ny voalaza hoe izay manetry tena no asandratra, ary fantatray ny fitiavanao an’Antananarivo, hoy ireo depiote lany tamin’ny anaran’ny antoko TIM. Araka ny fangatahan’ny vahoaka maro eto Antananarivo sy eto Madagasikara, ny mpikambana Tim sy ireo mpanohana sy mpiara-dia ny filoha Ravalomanana. Efa fangatahana nataon’ireo parlemantera TIM tany amin’ny Kongresin’ny Antoko TIM teny Tanjombato ny volana jolay ny hirotsahan’i Marc Ravalomanana. Ny maha renivohitr’i Madagasikara an’Antananarivo, ny tokony hamerenana ny hasiny, ny toerany, ny fandrosoana, ny filaminana eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara no anton’ny fangatahana sy ny fanohanana. Anio moa no andrasana ny fanateran’i Marc Ravalomanana na ny solontenany ny dosie filatsahan-kofidiana ka dia miandry ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.